“Lasa mihorohoro sy matahotra isika rehefa hiatrika fifidianana. Zava-tsoa sy sarobidy ny fifidianana. Nefa matahotra hiatrika izany isika, indrindra ny aorian’ny fifidianana”, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard. Izay no iantsoany ny rehetra hoe: zava-dehibe ny fampanjakana ny filaminana sy ny fitoniana ary ny fahamarinana. Ahoana no hahazoana ny hevitry […]
Mois : mars 2023
Tontolon’ny fitsarana : tsipahin’ny SMM ny tsindry sy ny fibaikoana ny mpitsara
Namoaka fanambarana, nosoniavin’ny filohany ny eo anivon’ny Sendikàn’ny mpitsara (SMM), omaly, amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa mibaribary sy miitatra ary mikorosy ny asam-pitsarana. Mifanalavitra ny kabary arahin-pehin-kevitra mivoaka sy ny fanapahana raisina, na ofisialy izany na tsia, araka ny fanambarana. Notsiahivin’ny SMM fa nandalo dingana sy […]
Loholona Ramanambintana : nitsidika ny tany Antanifotsy
Fanatevenana ny fahaiza-manao eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Io no anisan’ny nanaovan’ny loholona Ramanambitana Richard, fidinana ifotony tany amin’ny distrik’Antanifotsy, afakomaly. Eo koa ny momba ny adidy aman’andraikitry ny ben’ny Tanàna amin’ny maha mpiahy ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana azy ireo. Mba hisian’ny fitantanana mangarahara amin’ny fitondrana tsara tantana izay fanatevenana ny fahaiza-manao izay. […]
Fanomanana ny fikaonandoham-pirenena: handray ny Ceni sy ny Pnud ary ireo ambasadaoro ny FFKM
Efa maka bahana. Nambaran’ny loharanom-baovao iray, omaly fa hifanesy horaisin’ny eo anivon’ny birao foibe ao amin’ny FFKM ireo tomponandraikitra samihafa avy eto an-toerana sy avy amin’ny firenen-kafa. Anisan’ny horaisin’izy ireo voalohany amin’izany anio, ny avy amin’ny Ceni. Hotanterahina etsy amin’ny foibe FJKM Ampandrana, izany. Hitohy amin’ny fandraisan’izy ireo ny Pr […]
Lisitry ny mpifidy: mitaky mangarahara ny Safidy
Nanao tatitra momba ny fizotry ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny eo anivon’ny Safidy, omaly. Niaiky izy ireo fa tsy tratra ireo tanjona napetraka noho ireo tsy fahatomombanana hita nandritra ny fikarakarana sy ny fanatanterahana ny asa. Notakin’izy ireo tamin’izany ny hanamafisana ny fangaraharana sy ny fazahoana antontam-baovao […]




