Notanterahina tao amin’ny kianjakelin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny sabotsy lasa teo, ny fifaninanana nasionaly “Nach No- Gi 2023” andiany voalohany, amin’ny taranja Jiu-Jitsu. Natao hifantenana mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hanao ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany na “Mondial 2023”, any Abu-Dhabi,ny 23 novambra ho avy izao ny fifanintsanana. Araka […]
Mois : mars 2023
Lomano – « Vive l’avenir » : zava-bita tsara indrindra iray no montsana
Nahomby ny fifaninanana lomano « Vive l’Avenir », andiany faha-11, notontosaina tetsy amin’ny dobo filomanosana ANS Ampefiloha, ny faran’ny herinandro teo. Zava-bita tsara indrindra iray no montsana tamin’izany. Teo amin’ny hazakazaka mifampitohy, sokajy 14taona mihoatra vehivavy, izay vitan’i Finaritra, i Antsa ary i Estellah avy ao amin’ny klioban’ ny Managing. Tao anatin’ny […]
Rakotozafy Lalanirina Rosa: nanomboka tamin’ny fanatanjahantena tany an-tsekoly, lasa tompondakan’i Afrika
Mpihazakazaka malagasy nanomboka ny taona 1993, nitondra avo ny voninahi-pirenena nanerana an’i Afrika.Tsy iza izany fa Rakotozafy Lalanirina Rosa. Tsy nanana taranja manokana izy tamin’ny voalohany. Nanao Basikety, Volley ary ny atletisma no tena nifantohany. “Ny mpampianatra EPS ahy tamin’zany, M.Desiré na Radezy, no nitondra ahy nikotrana tao amin’ny Saint […]
Orange Pro League : lavon’ny CFFA ny Zanakala FC
Notanterahina ny sabotsy sy omaly alahady ny andro fahasivin’ny fifaninanana “Orange pro league” (OPL) taona 2023. Lavon’ny CFFA Andoharanofotsy tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Zanakala FC, Matsiatra Ambony. Lalaon’ny kaonferansy atsimo, natao tao amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By-pass, omaly. Ny mpilalaon’i Fianarantsoa no nitarika tamin’ny isa 1 no […]
Tenisy ambony latabatra – «Afrique 2023»: nahazo volamena 3 sy volafotsy 1 ary alimo 1 ny Malagasy
Tsara ny vokatra ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsinanan’i Afrika, ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra. Nandrombaka medaly volamena 3 sy volafotsy 1 ary alimo 1 izy ireo. Fifaninanana, notanterahina tany Djibouti, nifarana omaly alahady. Nahazo ny tapakila hiatrehana […]




