Ny alarobia vao hiverina ny oram-baratra eto afovoan-tany sy manerana ny Nosy ankoatra ny any amin’ny faritra Sava sy Analanjirofo izay hahazo orana malefaka, hoy ny teknisianina ao amin’ny foibe famantarana ny toetr’ andro, omaly. Ho an’ny anio sy rahampitso, hanjaka ny rahona ary mety hisy orana malefaka ny alina. […]
Mois : mars 2023
Distrikan’Ambohidratrimo: mitady asa mahavelona ny tanora
Nanaporofo ny fahasarotana amin’ny fahitan’ny tanora asa ny firohotr’izy ireo teny Ivato nandritra ny fiofanana narahina fandraisana mpiasa teny en-toerana, ny sabotsy teo. Tanora manodidina ny 1000 avy amin’ireo kaominina manodidina ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo no liana tamin’izany. Fiaraha-miasan’ny ben’ny Tanànan’Ivato, Randrianarisoa Penjy sy ny solombavambahoaka, Rakotoarisoa Johnny ary ny orinasa […]
Covid-19 : 52 ny tranga vaovao
Mitombo isan-kerinandro ny olona vaovao voatily fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. 52 ny tranga vaovao tao anatin’ny fitiliana 1 361, tsy nisy ny aina nafoy sy ny tranga anaty fahasarotana raha 48 ny marary manaraka fitsaboana hatramin’ny 10 marsa lasa teo. Sambany tsy […]
CEG Nanisana : nanao fitokonana ny mpampianatra
Nitokona ireo mpampianatra eo anivon’ny CEG Nanisana, ny zoma lasa. Nampiato ny fampianarana eny an-toerana izy ireo noho ny antony maro samihafa eo anivon’ny tontolon’ny fampianarana. Nilaza ho tsy manaiky ny fametrahana tale vaovao eo anivon’ ny sekoly izy ireo. Ankoatra izay, mbola tsy nisitraka “vacation” nanomboka ny taona 2019 […]
Seces sampana Antananarivo : “Ajanony ilay « digitalisation » rehefa tsy voafehy”
Efa nanao fanambarana indray ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo fa afaka miverina manohy ny fampianarana ny eny Vontovorona amin’ny fotoana mahamety azy. Naneho hevitra momba ny tranga eny Vontovorona koa ny mpampianatra mpikaroka. Eo anatrehan’ny zava-mitranga eny Vontovorona ankehitriny, nanao fanambarana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces), sampana Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo. […]




