Noraisim-potsiny ! Tonga teny Antanety II ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Analamanga noho ny fitokonan’ny mpianatry ny ESPA Vontovorona, afakomaly tolakandro. Nisy lehilahy iray nanakana ny fiara nitondra azy tamin’io fotoana io. Nilaza izy fa hoe manamboninahitra nivoaka tao amin’ny andiany mivantana faha-38 tao amin’ny Akademia Miaramila (Acmil), Antsirabe, izy. Fantatry ny kaomandin’ny […]
Mois : mars 2023
Nikasa hamono polisy : lavo ilay tovolahy malaza ratsy
Maty voatifitry ny polisy ao Mahanoro ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo ilay tovolahy 22 taona, raindahiny amin’ny fanafihana ao an-toerana. Toerana mafana amin’ny asan-jiolahy isan-karazany toy ny vaky trano miharo vono olona ny ao Ambalakininina. Araka izany, manao fisafoana matetika ao amin’io fokontany io ny polisy. Nandritra izay, nahatsikaritra […]
Vono olona : ady lova no namonoana ilay talen-tsekoly sy ny zanany
Hatao vela-pandrika ireo olona voarohirohy nahafaty ny renim-pianakaviana iray, talen’ny EPP Antanimena, sy ny zanany vavikely ao Manakambahiny andrefana, distrikan’Ambatondrazaka, andro vitsy lasa izay. “Efa fantatra daholo ireo olona ahiana ho nahavanon-doza, ho porofoina izany ka hanaovana velam-pandrika izy ireo”, hoy ireo zandary mpanao famotorana. Voafaritra manaraka izay koa ny […]
Antanambao-Antsirabe II : lehibena fokontany rotiky ny bala
Nangalatra ombin’ny lehibena fokontany iray tao Ambatomanga, kaominina Antanambao Antsirabe II, maty voatifitry ny dahalo iray, ny 7 marsa teo. Nangalarin’ity dahalo ity ny omby tamin’ny 10 ora alina. Nirifatra nandositra izy. Nikaroka, taorian’io, ny fokonolona niaraka tamin’ny mpitandro filaminana. Naharay loharanom-baovao ny zandary ka nanantona ny toerana voatondro ho […]
Halatra taova tao Mahanoro: namidin’izy mivady ny voamason’ny anadahin-dreniny
Noho ny tsy fananam-bola, novonoin’izy mivady ny anadahin-drenin’izy ireo nonina tao aminy, ny fiandohan’ny volana marsa teo. Araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana, fantatra fa ireto mpivady ireto no nipetrahan’io olona hita faty tsy nisy taova io. « Efa antitra ka tsy namana amin’ny fitadiavam-bola intsony izy. Nisy olona nilaza ho […]




