Mois : mars 2023

Lozam-pifamoivoizana RN7 : niampy iray ireo namoy ny ainy

Niampy iray indray ny namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao amin’ny RN7, teo An­dohasahamarina, kaominina Talatan’Ampano, distrikan’i Vohibato,ny sabotsy tolakandro teo. Taorian’ny fandidiana loha, natao tamin’ny tanora iray, anisan’ireo tao anatin’ny fiara nivadika, tsy tana ny ainy ny alahady maraina teo. Tanora mpilalao kitra sady skoto anatin’ny fiangonana […]

Nirefodrefotra ny basy… Indianina maty voatifitra, lasa ny vola 150 tapitrisa Ar

Miseholany ny tsy fandriampahalemana ao Toama­sina, raha ny zava-misy any an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Nirefodrefotra ny basy tao Dépot fahefatra, Toa­masina, teo anoloan’ny trano fandraisam-bahiny RN 2 Bis. Mpandraharaha mpanafatra vary avy any ivelany ity teratany indianina 36 taona maty voatifitry ny jiolahy ity. Avy nandray vidin’entana izy ta­min’io […]

Morarano Chrome : nihena ny sandan’ ireo takalon’aina

Nidina hatramin’ny 50 tapi­trisa Ar ny vola takin’ireo jiolahy mpaka an-keriny ao Morarano Chrome. Afakoma­ly, niantso ny havan’ireo takalon’aina ireo olon-dratsy ka nilaza ilay vola tadiaviny. Nifampiresaka an-telefonina ny roa tonta. Niresaka tamin’ ny havany ihany koa ireo olona telo nalaina an-keriny. Ankilan’izay, tsy mbola na­maly ny fitakian’ireo jiolahy ny […]

Vehivavy telo lasibatra: mpanendaka tratra teo Andravoahangy

Raikitra indray ny fifanenjehana teo amin’ny polisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro sy ny tontakely, omaly, teny Andravoahangy. Jiolahy iray mpanao sinto-mahery no tratra tamina elakela-trano iray anelanelan’ny Epi d’Or sy ny Looks Andravoahangy, taorian’ ny fanenjehana. Raha ny fanazavan’ny polisy, nisy vehivavy telo tonga nanao fitarainana tany amin’ny polisy. […]

Vono olona mahatsiravina: lehilahy iray maty notapahin-doha

Raim-pianakaviana iray 50 taona no maty tamin’ny fomba feno habibiana. Nentina nivoaka ny tanàna misy azy izy, nokapain’ireo dahalo ny lohany ary nentin’izy ireo. Ny zoma teo tokony ho tamin’ny 2 ora maraina, notafihina andian-jiolahy ny tokantranon’ity lehilahy ity, monina ao amin’ ny kaominina Vinanitelo, distrikan’i Manakara. Tantsaha izy, varira […]