Mois : mars 2023

IKM Antsahavola: tanjona ny fampahafantarana ny kolontsaina isam-paritra

Harena ho antsika ny fahasamihafana. Voakasik’izany koa ny lafiny kolontsaina. Maro amin’ ny Malagasy anefa no tsy mahalala ny kolontsain’ny faritra hafa. Izany indrindra no nanaovana ny hetsika “Songadina”. Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Ivon­toeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) An­tsa­havola. Misy ny “Songadina”, hetsika hampahafantarana ny kolontsaina mampiavaka faritany iray eto […]

Depiote R. Fetra : “Hisy ny vola ho an’ny fifidianana”

“Resabe sy filam-baniny ny hoe tsy hanam-bola indray ny fanjakana hamatsiana ny fanatanterahana fifidianana. Hisy vola eo, ary hisy fifidianana amin’ity taona ity. Ho an’ny mpanohitra, aza manangan-tsampona toy izany”, hoy ny depiote voafidy tany Miari­narivo tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotondrasoa Fetra, momba ny resaky ny sasany amin’ny hoe tsy fisian’ny […]

Randriamalala Robert Charly : “Tsy tokony hanao politika ny firaisamonina sivily”

“Ho anay manokana, tokony hitoetra amin’ny toerany hatrany ny firaisamonina sivily amin’ny raharaha fifidianana toy izao. Tsy to­kony hiandany na amin’iza na iza izany, ary tsy tokony hobaikoin’ny mpanao politika sady tsy manao politika.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Cellule de moralisation de la vie publi­que – Sehatra ametrahana fi­toniana […]

Fihaonambem-paritra: handinika ny sosialy sy ny politika ny FFKM

Efa mipetrapetraka avokoa. Hotanterahina ny faran’ ny volana marsa izao ny fihaonambe eo anivon’ny faritany FFKM, hatao eto Antananarivo. Hitohy amin’ ny fidinana ifotony ho fa­kan-kevitra izany avy eo ny volana mey ary hofaranana amin’ny fihaonambem-pirenena. Nambaran’ny tonian’ny FFKM ny Rev. Ranaivo­arivelo Tahiana, omaly, tetsy Ampandrana, fa miankina amin’izao fihaonana […]

Fampandrosoana ny faritany : miantso firaisankina ny Betsi-Groupe

Nanao antso avo ho an’ny zanaky ny faritanin’i Fia­narantsoa mba haneho firaisankina sy hifanome tanana ho amin’ny fampandrosoana ny vondron’ny zanaky betsileo, Betsi-Groupe. «Mila hamafisina izany hanehoana fa manana ny maha izy azy isika na eo amin’ny politika na sosialy na asa fampandrosoana… Ilana tolo-tanana avokoa izany”, hoy izy ireo. […]