Zaza iray herintaona namoy ny ainy, omaly tolakandro, tao Andranovory. Maty tototry ny rano vokatry ny fiverenan’ny rivodoza Freddy. Maro ireo traboina ao amin’ny faritr’ Antsimo Andrefana. Fotodrafitr’asa maro simba sy potika. Zaza iray namoy ny ainy omaly tolakandro tao Andranovory, fokontany Anjambaky noho ny fiverenan’ ny rivodoza Freddy. Maty […]
Mois : mars 2023
« MVola Epargne » : niakatra ho 4% ny tahan’ny fitahirizam-bola
Anisan’ny voalohany ! Nosantarina ny taona 2017 ny tolotra «MVola Epargne», fitahirizam-bola amin’ny finday, tamin’ny taha 2% isan-taona. Azo atao ny mitahiry vola hatramin’ny 100 tapitrisa Ar nanomboka ny taona 2022. Ankehitriny, niakatra ho 4% isan-taona ny tahan’ny vola tahirizina ao amin’ny «MVola Epargne», izay taha ambony indrindra eo amin’ny […]
Fivoriana tany amin’ny ONU : ny zo sy ny fitantanana maharitra ny ranomasina
Natao ny 20 febroary hatramin’ny 3 marsa teo, tao amin’ny foiben’ny firenena Mikambana (ONU) any New York, ny fiverenana nandinihina fanindroany, ny lafiny zo mikasika ny ranomasina. Voakasik’izany izay mifandraika amin’ny fiarovana sy ny fitantanana maharitra ny tontolo mananaina rehetra, mifanaraka amin’ny lalàna isaky ny firenena isanisany avy. Efa natao […]
Ranomasimbe indianina : fahalalana kokoa ny trozona misy vozona
Manomana ny hetsika «Humpback Whale Congress» (HWWC), andiany fahatelo any amin’ny Repoblika Dominicaine, ankehitriny, ny fikambanana Cétamada Madagasikara, tarihin’ny Dr. Saloma Anjara. Lohahevitra noraisina ny hoe «Toekarena manga ho an’ny fampandrosoana maharitra». Niforona ny taona 2015 teto Madagasikara ny fikambanana tany amin’ny Nosy Sainte Marie, nandritra ny hetsika manokana ho […]
Mahanoro: jiro manazava ny elakela-trano miisa 110
Mamaha ny olan’ny tsy fandriampahalemana ny fisian’ny jiro manazava ny arabe sy ny elakelantrano. Tafiditra ao anatin’ny velirano 2, hisian’ny « Hazavana ho an’ny rehetra » ihany koa. Mitohy ny tetikasa «Hazavao ny elakela-trano». Natomboky ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Andriamanampisoa Solo teny Andohanimandroseza, boriborintany faharoa eto […]




