Mois : mars 2023

Indray mijery

Tanterahina any amin’ny faritra Androy ny tetikasa Mianatra. Ankizy anarivony no misitraka sakafo an-tsekoly mitondra otrikaina. Sekoly 18 any an-toerana no hanatanterahana izany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa McGovern-Dole International Food for education and Child Nutrition izany. Tohanan’ny departemantam-panjakana amerikanina misahana ny fambolena ara-bola. Ao anatin’ny 5 taona manaraka, fatran-tsakafo mitondra […]

Fampivoarana ny andriambavilanitra : vehivavy 460 niofana momba ny fikarakarana sakafo

Vehivavy mahaleo tena sy antoky ny fampandrosoana no tanjon’ny fampiofanana tan­terahina eny Iavoloha. Mahay mahandro karazan-tsakafo izy ireo manomboka eto ary hanokatra ny tsenany manokana rehefa nahazo fiofanana. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana sahady ny andron’ny vehivavy ny hetsika ara-piofanana andraisan’ireo andriambavilanitra anjara amin’ny foibem-piofanana maro eto Atananarivo. Ny faran’ny herinandro […]

Rivodoza Freddy : mitondra orambe any atsimo

Miadam-pikisaka ilay ri­vo­doza Freddy ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika. Any amin’ny 195 km andrefana somary avaratra andrefan’i Toliara no nisy ny foibeny. 13 km isan’ora ny hafainganam-pandehany ary manangona hery tsikelikely ao an-dranomasina izy. Sokajiana ho “tempete tropical moderé” i Freddy hatry ny omaly. Manodidina ny 80km isan’ ora ny rivotra […]

Fahasalamana eny anivon’ny fiarahamonina : vita ny tahirin-kevitra torolalana hampiasain’ny AC

Fitaovana iray manatsara ny fahasalamana eny anivon’ny fiarahamonina ny fisian’ny mpanentana ara-pahasalamana (AC). Tsy mbola azo heverina anefa ny hanome karama azy ireny fa tohana no nozaraina hatramin’izay, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nanomboka namatsy vola ny fanatanterahana ny fahasalamana eny ifotony i Madagasikara, ny taona 2009, niaraka tamin’ ny […]