Tratra ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny ireo mpanendaka roa lahy teny Anosizato. Ny sabotsy maraina teo, nanararaotra ny fitohanan’ny fiara ireto olon-dratsy ka nanendaka olona izay tratrany. Nahatsikaritra izany ilay polisy nanao fanamiana sivily tsy lavitra teo. Vokany, noraisim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny izy roa lahy ka voasambotra […]
Mois : mars 2023
Variana nifandamina… : notrongisin’ny Mazda avy aoriana ilay moto sy taxi
Andro miditra ! Nitrangana lozam-pifamoivoizana nandratra olona teny Ankorondrano, omaly tamin’ny 4 ora maraina teo. Moto iray sy taxi no nifandona teo amin’ity toerana ity. Mafy ny fifandonana satria samy nahitana fahasimbana na ilay taxi na ilay moto. Mbola nifandamina sy nifanazava momba izany ny mpamilin’ilay taxi sy ilay mpitondra […]
RONGONY roa gony voatango… : lehilahy iray tratra namboly 49 fototra
Tratran’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra , ny faran’ny herinandro teo, ny lehilahy iray voarohirohy ho namboly rongony 49 fototra tao an-tanànan’Ambodivona Ambatolokanga, kaominina ambanivohitr’i Tsiafahy. Ankoatra ireo rongony tratra teny am-potony, mbola nisy roa gony koa efa voatango sy voakarakara hamidy tratra tao an-tranony. Loharanom-baovao no nahafantaran’ny zandary momba […]
Morarano Chrome: jiolahy enina maty voatifitra
Nifanjevo ny mpitandro filaminana sy ny olon-dratsy tao Morarano Chrome ka hatrany Andranobe distrikan’Amparafaravola, ny sabotsy alina teo. Maty voatifitra tamin’izay ny jiolahy enin-dahy nifanehitra tamin’izy ireo. Ny sabotsy alina teo, nifanenjika ny mpitandro filaminana sy ny olon-dratsy. Vokany, lavo nandritra izay ny efa-dahy. Nitohy tany Andranobe-Amparafaravola ny hetsika “Harato” […]
Fitantanana eo anivon’ny masoivoho any Frantsa : mitaky ny fialàn’ny mpanolotsaina voalohany ireo mpiasa
Hiroso amin’ny fitokonana, manomboka, anio ireo mpiasan’ny masoivoho any Frantsa. Namoaka fanambarana izy ireo, ny faran’ny herinandro teo, mitaky ny fanesorana ny mpanolotsaina voalohany eo anivon’ny masoivoho any Paris, Randimbiarisoa Ramiakoalisoa Mamonjisoa. Maromaro ireo anton’ny fitakiana amin’ny fomba fitantanana sy fomba fiasan’io mpanolotsaina io, araka ny fanambarana hatrany. “Eo ny […]




