Tapaka nandritra ny fivoriambe ara-potoanan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, hifarana amin’ny 23 septambra ny asan’izy ireo. Fivoriambe voalohany sady farany amin’ity taona ity. Notanterahina ny sabotsy 4 marsa 2023 lasa teo ny fivoriambe ara-potoan’ny Federasiona malagasin’ ny baolina kitra (FMF). Ny 23 septambra ho avy izao, hamarana ny asany ny […]
Mois : mars 2023
Fahatsiarovana an’i Gabhy : nankalazaina ny faha-90 taona nahaterahany
Tontosa ny tolakandron’ny sabotsy 4 marsa 2023 teo, teny amin’ny CC ESCA Antanimena ny fampisehoana fahatsiarovana an’i Ghaby. Nandritra io fotoana io ihany koa no nankalazana ny tsingerintaona faha-90 nahaterahan’i Ghaby na Rabehasina Gabriel. Ny fianakaviany, ny niara-nihira taminy ary mpiangaly mozika maro no tonga nanatrika ity fampisehoana ity. Tsapa […]
Antoby Miarinarivo : nahazo fiofanana ireo mpitsoka « bapampa » miisa 169
Raha mpitsoka mozika, manana ny mahay ny faritra Itasy. Nifandovana aman-taonany maro izany, ary saika nisongadina avokoa na ny mpanao vako-drazana na ny tarika mpanao hira gasy nivoaka tao amin’ny Faritra. Mba hampiakarana bebe kokoa ny lenta mankany amin’ny laza, nisy ny fiofanana nomena ireo mpitsoka «bapampa» avy ao Antoby […]
Nanosika mpanakanto malagasy maro : nodimandry i David Lindley
Mpitendry gitara amerikanina i David Lindley. Fa ny tena nahafantarana azy kosa dia ny nitetezany firenena maro, nitiliana ireo mpanakanto mamiratra, manana mozika azo amidy amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nambabo azy sy ilay namany Henry Kaiser ny mozika malagasy, izay tena nanokanan’ izy ireo ny talentany sy ny fotoanany tokoa. Araka […]
FESPACO 2023: lasan’i Hary Joél ny amboara “Poulain d’argent”
Namiratra indray ny talenta malagasy teo anivon’ny fifaninanana afrikanina. Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Hary Joél. Miezaka hatrany anefa izy manatsara ny zava-bitany amin’ny alalan’ny fikarohana sy fifanakalozana amin’ny mpanatontosa kalaza. Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ny mpandresin’ny Féstival panafricain du cinéma et de la télevision de Ouagadougou (FESPACO) […]




