Mois : mars 2023

Tetikasa Bring O2 : tavoahangin’oxygène 100 ho an’ny hopitaly Befelatanana

Nanolotra tavoahan­gin’oxygàne miisa 100 ho an’ny hopitaly Befelatana­na ny ONG Pivot, ao anatin’ilay tetikasa Bring O2, omaly. Ankoatra izany ny kojakoja ara-pahasalamana,mitentina hatramin’ny dimy alina dolara. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa, ny fikojakojana ny fitaovana famokarana oxygène hahafahana mampiasa izany maharitra. Misy ny fampiofanana ny teknisianina mikirakira ny fitaovana. Homena fahaiza-manao […]

Centre Sembana Mijoro – 20 taona : 200 mahery ireo tanora efa miasa sy mahaleo tena

Mankalaza ny fa­ha-20 taonany ny Centre Sem­ba­na Mijoro eto Anta­nanarivo. « Tsara ny vo­ka­tra nandritra izay fotoana izay satria 200 mahery ireo tanora sembana ara-batana sy ara-tsaina efa mahaleo tena ankehitriny », hoy Raza­finjato Fela, filoha mpanorina ny fikambanana. Nahazo tohana avy amin’ny fikambanana amin’ny alalan’ny vatsim-pianarana izy ireo. “Mbola nampiana tamin’ny […]

FMFP : namoaka olona 30 mpanao asa tanana

Ho fanomezana lanja ny asa tanana malagasy, namoaka olona miisa 30, ny ministeran’ny Asa tanana sy ny haitao, omaly. Hetsika niarahana tamin’ny sehatra tsy miankina FMFP. Nanomboka ny 13 fe­broary hatramin’ny 24 marsa 2023 teo ny fiofanana. Nilaza ny tale jeneralin’ny Serasera ao amin’ny minisiteran’ny Asa Tanana, Rabetsialonina Mous­tane, fa […]

Atsimo Atsinanana : sahirana ireo mpiompy tantely

Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy teo, tany Atsimo Atsinanana, mikorontana koa ny fiompiana tantely. Arahi-maso ny tranon-tantely raha mbola mamokatra tsara, indrindra ny karazana Mel­lifera Unicolor, izay tsy misy afa-tsy eto amin’ny Nosy. Mi­savorovoro taorian’ny rivodoza ny andro iainan’ireo tantely ireo. Nahitana fiantraikany in­drindra ny tranony, tsy afaka mivoaka ireo tantely […]

Jono tafahoatra : tandindonin-doza ny trondro lamatra

Manaitra ny Vondrona eo­ropeanina (UE) sy ny governemanta malagasy ny Fi­kam­banana tsy miankina amin’ny fanjakana, ONG, ao anatin’ny Fiarahamonim-pirenena (OSC). Miahiahy mafy izy ireo, satria « tsy misy mihitsy ny ezaka atao hampiatoana ny fanjonoana mihoampampana ny lamatra sy ny karazan-trondro mitovy aminy aty amin’ny Ranomasimbe In­diana (OI). Miantraika any amin’ny […]