Hafana ny fifaninanam-pirenena amin’ny baolina kitra lalaovina eny amin’ny torapasika (beach soccer), karakarain’ny Telma sy ny fikambanana Dola Beach. Hahazo lelavola 5 tapitrisa ariary izay voahosotra ho tompondaka amin’ny fifaninanana, raha toa ka 2 tapitrisa ariary ny an’ny ekipa faharoa. Araka ny fanazavan’ ny mpikarakara teny Andraharo, omaly. Hotanterahina any […]
Mois : mars 2023
Sombintsombim-baovao
Basikety – Ao anatin’ny fifantohana tanteraka amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany 3×3 sy ny U19 amin’izao, ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay. Mba hahafahan’izay fanomanana izay mizotra tsara araka ny tokony ho izy, nisy fanamboarana ny fandaharam-potoana amin’ny fifaninanam-pirenena. Naroso ny 2 hatramin’ny 7 mey araka izany ny fifaninanana dingana voalohany, amin’ny […]
Fifanintsanana- Can 2023: resin’i Centrafrique 3 no ho 0 i Madagasikara
Lavon’ny les Fauves avy ao Centrafrique tamin’ny isa 3 no ho 0 ny Barean’i Madagasikara. Miampy isa telo ny an’ny ekipa mpandresy. Hotanterahina any Cameroun ny lalao miverina, amin’ny talata ho avy izao. Nalahelo sy kivy tanteraka ny vahoaka malagasy rehetra, nahazo vokatra ratsy ny ekipam-pirenena malagasy. Nomontsanin’ ny les […]
Hetsika Tim, Antananarivo VI : “Tsy maintsy apetraka ny demokrasia”
“Ao anatin’ny tany demokratika isika. Tsy maintsy apetraka ny demokrasia, ary zon’olombelona izany: zon’ny olona ny mivory sy maneho ny heviny, miara-paly. Misy sy manantena izahay fa hisy ny fanajana ny zony”, hoy ny depiote Tim, Andriamampandry Todisoa, momba ny hetsiky ny Tim eny Ambohimanarina, Antananarivo VI, hatao rahampitso. Ao […]
Raveloson Constant : “Tsy azo ihodivirana ny fikaonandoha”
Nohitrikitrihan-dRaveloson Constant fa tsy maintsy ho tonga any amin’ny fikaonandoham-pirenena izao zava-misy izao. “Tsy azo ihodivirana izany ary ho tonga amin’ny tenieranan’ny rehetra”, hoy izy. Notanisainy tamin’izany ireo karazana fihaonana. Ao ireo miray feo ka samy tsy manaiky izao fitondrana izao. Ny hafa kosa manindry mafy fa misy tsy mety […]




