Cntemad : havadika ho oniversite nomerika

Havadika ho oniversite nomerika ny ivontoeram-pampianarana ampitain-davitra amin’ny fampianarana ambony (Cntemad) eto Ma­dagasikara. Nisy atrikasa na­tao tany Paris, nandritra ny roa andro, ny volana marsa teo namolavolana vovonan’ny oniversite nomerika afrikanina ka nandray anjara ny delegasiona malagasy. Nodinihina nandritra ny fihaonana ny fananganana antontan-kevitra iraisana momba ny fitantanana ireo mpampiofana, ny fikarohana sy ny sehatra rehetra voakasika. Efa vita sonia ny taon-dasa ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana am­bony sy ny minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny haitao ara-kajy mirindra miaraka amin’ny Agence universitaire francophone (AUF), mifandraika amin’ny fanovana ny Cnte­mad ho lasa oniversite nomerika.

Manana antennes 50
10 ny “antennes” ho an’ny fampianarana ampitain-davitra 30 taona lasa. Amin’izao fotoana izao, 50 no isany amin’ny distrika samihafa, misandrahaka manerana ny Nosy. Arivonimamo no “antenne” niorina farany tamin’ny volana marsa lasa teo. Ankoatra ny fanitarana ahafahan’ny tanora malagasy misitraka fampianarana ambony, imasoan’ny minisitera mpiahy ny fanjohiana akaiky ny fivoaran’ny teknolojia, irosoana amin’ny “transformation numérique”. An-dalana mankany amin’ny “université virtuelle de Madagascar” ny Cntemad ankehitriny.
Fambolen-kazo no namaranana ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny foibem-pirenen’ny fampianarana ampitain-davitra eto Madag­asikara (Cntemad). Zanakazo liquidambars 1000 fototra no novolena teny antampon’ny tendrombohitr’Ambohimpanompo, fokontany Andrano­me­na, kaominina Arivonimamo.

Vonjy A.

Partager sur: