«Mitovy amin’ny fomba fiainan’ny olom-pirenena rehetra ihany ny fiainan’ny olona hafakely (Autiste)», hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Autisme eto Madagasikara, Raveloarimisa Mbolatiana , ny Alahady teo, teny Tsimbazaza. Nilaza izy fa tsy vitan’ny minisitera iray na tompon’andraikitra iray ny fitaizana azy ireo fa ilaina ny fandraisan’andraikitry ny rehetra. Tsara raha apetraka ny lamina manokana hanatsarana ny fari-piainan’ireo olona hafakely. Mba hanomezan-danja ny zon’ny olona hafakely toy ny olom-pirenena rehetra. Anisan’izany, ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana azy ireo arakaraky ny toe-batany. Toy ny fampitomboana ny sekoly mandray an-tanana. Mila jerena ny seha-pahasalamana sy ny mpitsabo manokana izay mitsabo azy ireo. Ankoatra izay, mila hampianarina ny mpitandro ny filaminana mba hahay handray an-tanana ireo olona hafakely mitsoaka…
Ankoatra izay, manampy ny fitaizana ireo olona hafakely ny famakiana boky. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo, tetsy amin’ny IFM Analakely ny fampahafantarana izany.
Mino (mpianatra asa)




