Manao hetsika mitety vohitra amin’ny fandehanana an-tongotra sy ny fitaingenana bisikleta, manentana ny mponina hiady amin’ny herisetra ara-pananahana atao amin’ny ankizy ny fikambanana Tao. « Run and bike, Aoka izay ny fanolanana» ny anaran’ny hetsika fanatanjahantena mifandraika amin’izay. Mandritra ny fitsidihana koa no hanangonana vola avy amin’ny malala-tanana hanohizana ny asa fanentanana tena ilaina. Na eo aza ny ezaka efa vita, mitombo hatrany ny isan’ny ankizy iharan’ny fanolanana. Voalaza fa tranga telo isan’andro no miseho ka nahazoana fitarainana ankoatra ireo tsy fantatra noho ny antony maro.
Matetika, ireo ankizivavy sy zaza no iharany, hoy ny fanazavana. Tanjon’ny Tao ny hanohana ireo olona niharan’ny herisetra sy ny fianakaviany, eto Madagasikara. Betsaka ny olana sedrain’ny fianakaviana manana havana niharan’ny fanolanana. Anisany ny tsy fananana vola hoentina manatona ny ambaratongan-drafitra hametraka fitoriana, ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa fandraisana an-tanana ireo niharany…ka lasa mangina sy miraviravy tanana.
Manampy trotraka ny raharaham-pihavanana takin’ny olona nanao ny heloka matetika ho fitsinjovana ny voninahitry ny fianakaviana roa tonta. Tsy tonga any amin’ny fitsarana ny fitoriana fandikan-dalàna fa voalamina aty am-badika.
Vonjy




