Mois : avril 2023

Barean’i Madagasikara : nihaona amin’ny Federasiona i Nicolas Dupuis

Hanatanteraka fihaonana amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) i Nicolas Dupuis, mpanazatra. Tsiahivina fa nametra-pialana tsy hitondra ny Barea intsony izy, araka ny fanambarana nataony, ny talata 28 marsa lasa teo. Araka ny vaovao voaray teo anivon’ny Federa­siona malagasin’ny baolina kitra (FMF), hihaona amin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra, rahampitso alakamisy 13 […]

Herinandron’ny fifandraisan-davitra : tsy mitsaha-mikaroka ny mpianatra eny Vontovorona

Nanomboka omaly, teny amin’ny Sekoly ambony mi­kasika ny Polyteknika Von­to­vorona, ny «Herinandron’ ny fifandraisan-davitra», karakarain’ny Vondron’ny mpianatra amin’ny fifandraisan-davitra (GET). Anisan’ ny mpiara-miombon’antoka ma­nohana azy ny orinasa Von­dro­na Axian sy ny Tel­ma. Maromaro ny hetsika ha­namarihana izany. Nisy ny famelabelaran-kevitra, omaly maraina, nampahafantarana ny orinasa Axian sy ny Telma. Nilaza […]

Mahajanga: Vatosoa 185,5 kg saika haondrana an-tsokosoko

Manamafy ny minisiteran’ ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanonkarena stratejika (MMRS) fa tsy azo ekena sy leferina ny fandrobana ny harem-pirenena amin’ny lafiny rehetra. Tratra ny zoma 7 avrily teo, tany amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga ny vatosoa sarobidy (pierres gemmes), milanja 185,600 kilao. Anisan’ny fepetra norai­sin’ny minisitra Rakotomalala Herindrainy Olivier, […]

Tale jeneralin’ny fadintseranana : “Voafehin’ny lalàna ny fahazoan-dalana manondrana vato sarobidy”

Hanomboka ny fanondranana harena an-kibon’ny tany eto amin’ny Nosy. Nohamafisin’ny tale jeneralin’ny Fadintseranana, omaly, fa misy ny lalàna ao amin’ny tetibola mikasika ny fahazoan-dalana manao izany. «Voafehin’ny lalàna ao amin’ny tetibolam-panjakana 2023 ny mikasika ny fahazahoan-dalana (droit de sortie) izay alaina amin’ireo fanondranana vatosoa eto amintsika», hoy ny tale jeneralin’ny […]