Tsy ankitsitsy! 12 sahady ireo jiolahy matin’ny mpitandro filaminana tamin’ny raharaha mafana toy ny fanafihana tao Toamasina, tao anatin’ny telo volana. Tao Toamasina renivohitra avokoa ny 11 tamin’ireo olon-dratsy maty ireo. Lavo tany Mahanoro ny roa hafa. Nahatrarana basy poleta 2 niaraka tamin’izy ireo. Ho an’ireo olona voatery nosamborina, tafakatra […]
Mois : avril 2023
Kolikoly !
Tsy misy sehatra iray ka tsy ahitana na andrenesana kolikoly amin’izao fotoana izao. Tena manafotra ilay fiarahamonina ny zava-misy. Very hasina tanteraka ny maha olombelona. Tsy miteny rehefa tsy vola. Ny endrika ivelany sy fisehosehoana no zary maridrefy ilazana fa « izany ka tena olombelona ». Tsy misy lanja intsony ny fanahy […]
Natelin’ny rano: niara-maty izy mianaka
Nampahonena ny nanjo ireto mpianaka. Niara-maty an-drano, rehefa namonjy fodiana. Avy namangy fianakaviana tamin’ny andro fety izy ireo. Niara-maty an-drano ny reniny sy ny zanany vavy, afakomaly. Tao amin’ny renirano Antarandrandrosiana, anatin’ny kaominina Itremo, distrikan’Ambatofinadrahana no nisehoan’ izany. Niala tao an-tranony tamin’ny 6 avrily, hamangy ny ray aman-dreniny amin’ny tanàna […]
Hetsika « Kobay » : miaramila iray maty voatifitra
Maty voatifitry ny dahalo nandritra ny fifandonana tao Soaserana, fokontany Tsinjorano, kaominina ambanivohitr’Ambia, distrikan’i Mahabo, ny sabotsy 9 avrily 2023 teo, ny miaramila kilasy faharoa Randriamaherisoa. Nanatanteraka hetsika “Kobay” ireo miaramila avy ao amin’ny bataillon infanterie Morondava ka nisy ny fifandonana nahery vaika tamin’ireo dahalo tompon’antoka tamin’ny fanafihana sesilany tamin’iny […]
Lalana Rocade: tratra ireo andian-jatovo mpanendaka sy mpively “bois rond”
Ditra sa asan-jiolahy tsotr’ izao? Tsy ny any Toamasina ihany fa manao ny ataony koa ny andian-jatovo mahery setra eto an-drenivohitra. Nanamafy ny fisafoana fanaony eny amin’ny lalana Rocade ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahavalo (CSP8) taorian’ny tranga tsy fandriampahalemana miseholany amin’iny lalam-baovao iny. Nahitam-bokany izany satria andian-jatovo […]




