Ny Koraïta avy ao amin’ny FJKM Manarintsoa Finoana, sy ny Jaws Band ary ny Chorale Feon’ny Fitiavana (Acut Ambohipo, Ankatso). Samy andrarezin’ny hira fiantsana ny hira evanjelika. Nafana ny teny an-tsehatra, satria, saika niompana tamin’ny Paska na ilay fotoana nandresen’i Kristy ny fahafatesana, ny hira nanakoako teny an-tsehatra. Na izany […]
Mois : avril 2023
Mila miala voly : mahazatra ny mitsangatsangana
Na tazana etsy sy eroa aza ny lanonana isan-karazany. Misy ny efa zatra mitsangatsangana. Efa zary kolontsain’ ny Malagasy isaky ny Alatsinain’ny Paska ny miala voly eny amin’ireo toerana heverina fa tsy handehanana matetika. Anisan’izany Analakely, raha ho an’ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Fitsangatsanganana tsotra, tsy handaniam-bola be loatra […]
Fampisehoana alatsinain’ny Paska: nahaliana ny mpankafy ny gadon’ny tanora
Anisan’ny manamarika ny alatsinain’ny paska ny fampisehoana an-tsehatra ataon’ny mpanakanto. Nampiavaka ny tamin’ity taona ity ny fironan’ny mpankafy ny mpanakanto mivoy ny gadona tanora. Nisongadina ireo fampisehoana nivoy sy nampandray anjara ny mpanakanto mivoy ny gadona ankafizin’ny tanora, ankehitriny, teto andrenivohitra. Izy ireny no nahaliana sy nahazo olona. Na izany […]
Fiahiana sosialy: nitondra ny traikefany ny Ivoarianina
Nitondra ny traikefany ho an’ny Malagasy ny delegasionina ivoarianina momba ny fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa nandritra ny herinandro, teny Ankorondrano. Voakasika manokana ny ho an’ny sehatra tsy miankina sy ny tontolo ambanivohitra, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy, Rivotiana Richard Jean Bosco. […]
Kaominina Antananarivo Renivohitra: mifanohana ny ben’ny Tanàna sy ny zokiolona
Ho fanamafisana ny fiarahana sy fiaraha-miasa miaraka amin’ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Nisy ny fiaraha-misakafo tamin’ireo mpiasa efa misotro ronono ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny zaridaina Anosy. Mahatsapa mbola manana adidy amin’ny fanampiana ny mpitantana sy ireo zandry mpiara-miasa amin’ny fanoroana azy ireo ny zoky. Ray aman-dreny […]




