Mandritra ny fetin’ny paska izay maha-betsaka ny olona eny amin’ny torapasika no hampiharana indray ny fakana ny haba ho an’ny elo sy ny parasol. Izany dia araka ny tapaky ny kaominina ao Mahajanga. Nivory ireo tomponandraikitra sy mpampanofa elo eny amin’ny Petite Plage sy Grand-Pavois nidinika mahakasika izany. Ho fampiharana […]
Mois : avril 2023
Fetin’ny Paska: tsy mahasakana ny vahoaka hifety ny fiakaran’ny vidim-piainana
Niala voly ny ankamaroan’ny Malagasy, omaly alatsinain’ny paska. Samy nifaly sy nampifaly ny fianakaviana ny rehetra. Tsy hita soritra izay fiakaran’ny vidim-piainana. Fety tetsy, lanonana teroa. Nankalaza ny fetin’ny paska, araka izay teo ampelatanany ny Malagasy. Azo lazaina fa toy ny isan-taona Nisomebiseby sy nifanitsa-kitro ny vahoaka. Nahitana mpitsangatsangana maro […]
Mantasoa : 20mn ny faharetan’ny fandehanana lakana
Nidinika nanomana ny fiatrehana ny fetin’ny Paska, ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomamy sy an-dranomasina (APMF), ny alakamisy 6 avrily teo. Ho an’ny tany Mantasoa, tsy maintsy nandalo fanamarihana avokoa ny lakana rehetra nandeha. Toerana telo no azo niaingana, teny Ampasimpotsy Ambatolaona, Hôtel Ermitage ary ny faritra misy ny biraon’ny […]
Andriambolamanana Miangola: azo hampiarahana tsara ny tontolo iainana sy ny « cirque »
Tovovavy vao 17 taona monja Rtoa Andriambolamanana Miangola Tifani. Na mbola mpianatra aza, omeny lanja ny fitsinjovana ny tontolo iainana. Anisan’izany ny fikirakirany ny hetsika ara-dihy sy fanatanjahantena ary talenta (cirque), ao anatin’ny tarika « Mamay Company ». Dinidinika. Gazety Taratra (*): Inona ny tena ataonareo ao anatin’ny tarika « Mamay Company » ? Andriambolamanana Miangola […]
Ranomafana Fianarantsoa: hiampy 64 MW ny famokarana herinaratra
Hampiakarina ho 64MW ny tanjaky ny famokarana herinaratra ao Ranomafana Fianarantsoa. Tontosa ny herinandro lasa teo ny fanaovan-tsonia famatsiam-bola mikasika izany. Nahazoan’ny fanjakana malagasy vola 240 tapirisa dolara Ariary avy amin’ny masoivohon’ Sina. Nanao sonia izany ny ministry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla sy ny ambasadaoron’i Sina, Zhang Wei. Tafiditra ao […]




