Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona frantsay, Gérard Larcher, tany Paris, ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS) malagasy, Razafimahefa Herimanana, ny 5 avrily teo. Nifantoka tamin’ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta ny fihaonana. Navoitran’ny PS, Razafimahefa Herimanana, fa manan-danja ny fifandraisana manan-tantara amin’i Frantsa, izay nanohana hatrany an’i Madagasikara, na tao anatin’ny fotoan-tsarotra […]
Mois : avril 2023
Nitotongana ny tsena : tafidina 22.000 dolara/t ny vidin’ny nikela
Miantraika any amin’ny vidin’ny vy sy ny manodidina azy ny krizy ara-toekarena maneran-tany, ka isan’izany ny nikela. Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famokarana maneran-tany, taorian’ny krizy Covid- 19 no anisan’ny antony. Araka ny tsena iraisam-pirenen’ny metaly any Londres Angeletera (LME), tafidina 22.000 dolara ny vidin’ny nikela iray taonina ny faran’ny […]
CEPE sy BEPC : anatin’ny roa volana farany no hanaovana andrana
Efa tapitra ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC, taona 2023. Nanomboka ny 23 janoary ary nifarana ny 24 marsa teo ho an’ny CEPE ary ny 30 janoary ka hatramin’ny 31 marsa lasa teo ho an’ny BEPC. Mbola miandry ireo sekoly tara amin’ny fanaterana ny antontan-taratasy ny mpitantana […]
USAID Access : mitentina 36 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola fanampiny
Nampahafantarina, omaly, tetsy Ankorondrano fa hitohy hatramin’ny volana marsa 2025 ny fandaharanasa USAID Access, izay tanterahin’ny MSH, momba ny fahasalamana. Nahazo famatsiam-bola fanampiny, mitentina 36 tapitrisa dolara, ny tetikasa hahafahana manohy ny fanatsarana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara. Tafakatra 126 tapitrisa dolara, araka izany, ny vola ho an’ny tohana […]
Boriborintany IV : 600 isan’andro ny nizaha fahasalamana
Nidina mivantana teny amin’ny fokontany Anosibe Angarangarana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly, nijery ny fizotran’ny hetsika ara-pahasalamana maimaim-poana karakarain’ny CUA. Nampiavaka ity hetsika andiany manaraka ity, ny fiaraha-miasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Fikambanana Manjaka Vintana Beton Armée, izay nanao ny fanentanana isam-baravarana teny ifotony. Nahaliana ny […]




