Mois : avril 2023

Judo-Tompondaka eran-tany Senior : hisolo tena ny Malagasy i Laura sy i Haingo

Hotanterahina ny 7 hatramin’ny 13 mey ho avy izao, any Doha Qatar, ny fiadiana ny tompondaka eran-tany Senior, taranja Judo. Manana solontena roa i Madagasikara. Hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, ho an’ny sokajy Sé­nior, taranja Judo i Mada­gasikara. Hihazo an’i Doha, renivohitry Qatar Rasoanaivo Razafy Laura (-70kg) sy Ra­miandrisoa […]

Kaominina Fenoarivo : olona maro mitaky ny hamerenana ny taniny

Nanao hetsika fitakiana ny hamerenana aminy ny taniny ireo mponina mahatsiaro ho tratran’ny tsindry hazolena etsy amin’ny kaominina Fe­noarivo, omaly. Tokantrano 200 mahery izy ireo no milaza ho tompon’ny tany sy efa nanajary izany. Tany mirefy 23ha mahery no nalaina tamin’izy ireo an-keriny, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny fo­kontany ao Ambohijatovo […]

Montfort Saint-Gabriel : mankalaza ny faha-8 taona nitsanganany

Nosokafana, omaly, ny fankalazana izay faha-8 taona izay, ka natomboka tamin’ny diabe nanodidina ny sekoly. Hitohy amin’ny fotoam-pivavahana omaly zoma maraina ary nisy ny sahoby ny hariva. Fifa­ninanana Miss & Mister kosa no hatao, anio sabotsy, ka hofaranana amin’ny fifaninanana basikety sy baolina kitra ary fampisehoana hataon’ny Misie Sayda sy […]

Loka « Castell 2023 » : nanadihady ifotony ny mpikarakara

Tonga eto Madagasikara ny solontenan’ny «Fonds Pierre Castel», hijery ifotony mikasika ny lalao «Pris Castel» sy ny fisokafan’ny fihariana miompana amin’ny lalam-pihariana lafiny ara-tsakafo sy ny fandraharana aty Afrika. Voakasik’izany ny sekoly ambony momba ny siansa ara- pambolena sy fiompiana eny amin’ny oniversiten’Ankatso (ESSA). Nihaona tamin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny izy ireo. […]

« Orange digital center » : hanampy ny tanora ao Fianarantsoa

Notontosaina, omaly, tetsy amin’ny Orange Madagascar, Ankorondrano, ny fiaraha-miasany amin’ny oniversi­ten’i Fianarantsoa. Hiompana amin’ny lafiny nomerika iza­ny. Hisitraka ity tetikasa ity ireo mpianatry ny oniversite any an-toerana sy ny tsy an’asa na koa tsy mianatra ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Tanjona ny hanamafy ny fanoloran-tena ny rehetra amin’ny fampivelarana ny […]