Mois : avril 2023

Tsimitamby, mpahay ny maha olombelona : « Tokony nitohy foana ny asa sosialin’ny Base Toliara »

Misy amin’ireo faritra iasan’ny orinasa Base Toliara no ahitana fasana ilevenan’ny tompon-tany. Naneho hevitra mazava i Tsimitamby, zanak’i Toliara, ny manampahaizana amin’ny maha olombelona sy ny fiarahamonina (anthropologue) mikasika ny tetikasa Base Toliara. Nambarany fa manaja ny fomban-tany sy ny tombontsoan’ny mponina ity orinasa ity, sady manaraka ny lalàna amin’ny […]

FIM 2023 : vonona ireo mpandray anjara

Hanomboka afaka herinandro vitsy ny «Foire internationale de Madagascar», FIM 2023. Andiany faha-17 ny atao amin’ity taona ity eny amin’ny «Park des expositions”, Forello Tanjombato. Ankehitriny, efa vonona ireo mpandray anjara sy ireo mpikarakara ny hetsika ary ny mpiara-miasa rehetra. Omaly, namory ireo mpiara-miasa amin’ny hetsika teny an-toerana ny mpikarakara. […]

Vanim-potoana mafana : velarantany 50.000 ha tratry ny andiam-balala

Nirongatra ny andiam-balala, izay efa mahenika velarantany 50.000 ha. Maika ny fandraisana fepetra satria ahiana vao mainka hihazakazaka izany fitomboany izany, ka tsy maintsy vonoina mialoha ny jona 2023. Nanafaingana ny fitomboan’ny valala ny fi­rotsahan’ny orana be loatra sy ny toetr’andro, na­nomboka ny oktobra 2022. Nandray fepetra hentitra ny minisiteran’ny […]

Ady amin’ny fiparitahan’ny tsaho : afisy fanentanana 900 apetaka amin’ny fiara fitaterana

Resy lahatra ny kaoperativa fitaterana valo: Ambi­nintsoa, Fifafima, Kofitama, Komafila, Kofimi, Malakia, Kofitam ary Kofimanga, anatin’ny tetikasa Rooted In Trust 2.0 Madagascar, amin’ny maha zava-dehibe ny fanentanana ny olom-pirenena amin’ny loza ateraky ny fanjifana vaovao tsy marina momba ny Covid-19 sy ny fahasalamana amin’ny ankapobeny. Nanaiky maimaimpoana izy ireo hampiasana […]

Tetikasa Haraton’aina: havaozina ny paikady nasionaly

Ao anatin’ny fanamarihana ny herinandro fampahafantarana ny tetikasa “Hara­ton’aina” no hidirana amin’ny iray volan’ny fiahiana sosialy amin’io volana mey io, ataon’ny minisiteran’ny Mponina, tarihin’ny minisitra Soafilira Princia. Hisy ny tombana hatao hahafantarana ny ezaka vita sy ny mbola miandry. Ho fantatra eo na tratra ny tanjona napetraka na tsia. Anisan’ny […]