Tontosa omaly teny amin’ ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena Ampahibe ny famindram-pitantanana teo amin’ny talen’ny kabinetra teo aloha, ny Jly Rajaonarivony Alexandre sy ny tale vaovao, ny Jly Andrianaivohery Bearson. Tao anatin’ny firahalahiana tanteraka no nanatanterahana izany. Nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Ramasy Razafindratovo […]
Mois : avril 2023
Fari-dranomasina sy sisintany : manamafy ny fanaraha-maso ny APMF
Nohamafisin’ny eo anivon’ ny APMF ny fanaraha-maso ny fiaingan’ny sambo eny anivon’ny seranan-tsambo ara-dalàna. Nampihena ny loza an-dranomasina teny amin’ny seranan-tsambo ofisialy izany, araka ny fanambarana nataon’ izy ireo. Teo koa ireo fepetra noraisin’ny ladoany ka nahatrarana ireo trafika na teny amin’ny seranam-piaramanidina io na teny amin’ny seranan-tsambo. Manampy izany […]
CUA – Fetin’ny Paska: 445 ireo polisy monisipaly hiparitaka eto Antananarivo
Manodidina ny 445 ireo polisy monisipaly hiparitaka eto Antananarivo aloha sy mandritra ny fetin’ny Paska. Hiaro sy hiandraikitra ny filaminam-bahoaka izy ireo mandritra izany. Ho fitandroana ny filaminam-bahoaka mandritra ny fetin’ny Paska. 445 ireo polisy monisipaly hahetsika ary hiandraikitra raharaha maro samihafa eto Antananarivo. Hiatrana manerana ny toerana rehetra izy […]
Egypta-Madagasikara : vahaolana amin’ny rano any Atsimo
Nihaona tamin’ny minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, Ravokatra Fidiniavo, omaly, ny masoivohon’ny Repoblika Arabon’i Egypta, Rtoa Rabab Abdelhadi. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fitohizan’ny fiaraha-miasa efa nisy hatrizay eo amin’i Madagasikara sy i Egypta. Nambaran-dRtoa ambasadaoro fa maromaro ireo sehatra izay ahafahan’ny roa tonta miara-miasa, toy ny tetikasa andrana […]
Famokarana provandy : mahaleo tena ny kaoperativa Fanamby
“Machine presse” manasaraka ny menaka ao anaty soja mahazaka hatrany amin’ny 25 kva. Milina fanjairana kitapo asiana ireo vokatra. Ireo ny fitaovana avy amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana tamin’ny alalan’ny tetikasa “Casef” nomena ny kaoperativa Fanamby ao amin’ny kaominina Soanindrariny, faritra Vakinankaratra. Ankehitriny, afaka mividy katsaka sy soja any […]




