Taorian’ireo hetsika nataon’ireo mpandraharaha lavanila tao Antalaha, ny herinandro lasa teo, tonga tany an-toerana, ny alatsinainy teo, ny minisitry ny Indostria, Razafindravahy Edgard. Nihaona tamin’ireo mpandraraha ho tohin’ny fihaonana ny herinandro teto an-drenivohitra izy. Nandritra izay, nikaondoha niaraka ireo mpandraharaha hamahana ny olan’ny lavanila. Tapaka tamin’izay fa hohalalahana tanteraka ny […]
Mois : avril 2023
Seha-pampandrosoana : namatsy vola 600 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena
Vonona hanohana an’i Madagasikara ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny sehatry ny fampandrosoana. Voakasik’izany ny fampiroboroboana ny fahazoana angovo, ny fifandraisan-davitra niomerika ary ny fambolena. Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Banky Iraisam-pirenena, ny 30 marsa 2023 teo, ny famatsiana tetikasa mitentina 600 tapitrisa dolara, fampindramam-bola an’i Madagasikara. Hoentina hanohanana ny sehatrasa mitondra fampandrosoana, amin’ny lafiny […]
Autisme Madagascar : “Tsy misy politika fiahiana ny olona marefo”
Nanadihady momba ny fiahiana manokana ny olona manana fahasembanana nandritra ny fisian’ny valanaretina Covid-19 tao anatin’ny faritra enina be mponina indrindra ny fikambanana Autisme Madagascar. « Mitovy isika miatrika ny Covid-19 » ilay tetikasa ary niompana tamin’ny faritra Boeny, Atsinanana,Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana ary Analamanga. Nivoitra taorian’ny fanadihadiana notanterahina nandritra ny […]
Seces Fianarantsoa : “Aza andrasana hihetsika ny mpampianatra…”
Manoloana ny hetsika fitakiana nataon’ny mpianatry ny oniversiten’Andrainjato tamin’ity herinandro ity, nanao fanambarana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces), sampana Fianarantsoa fa toherin’izy ireo ny fidiran’ny mpitandro filaminana ny faritry ny oniversite sy ny fanalana ny “franchise universitaire” nahafahan’izy ireo niditra sy nisambotra mpianatra nandritra ny hetsika. Nanelingelina sy nampisavoritaka ny […]
American Corner : maimaim-poana ny antontan-kevitra ao amin’ny eLibraryUSA
Notanterahina teny amin’ ny American Corner Antananarivo ny fampianarana manao fikarohana avo lenta amin’ny tambajotra internet, nataon’i Marcy Carrel, talem-paritry ny fifandraisana amin’ny daholobe, ao amin’ny masoivoho amerikanina. Nasehon’i Marcy Carrel an’ireo mpitantana ireo ny fomba fampiasana ny karazana antontanisa sy antontan-kevitra maimaim-poana, ao amin’ny eLibraryUSA. Ahitana asa fikarohana avo […]




