Tetikasa manaraka ny fitsipiky ny Fahasalamana iraisana (One health) momba ny fahasalaman’ny olombelona, ny biby ary ny fahasalamana mifandraika amin’ny tontolo iainana ny tetikasa “Tafaray”. Tetikasan’ny fitondrana, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ary haharitra hatramin’ny taona 2026, ny “fahasalamana ho an’ny daholobe tsy anavahana sokajin-taona”. Hitsinjovana hatrany ny fahasalamam-bahoaka no tanjona ary […]
Mois : avril 2023
« Ny asako rahampitso »: manampy ny mpianatra hisafidy lalam-piofanana horantovina
Manampy ny mpianatra hisafidy ny sokajy sy ny lalam-piofanana horantovina eny amin’ny oniversite, ny fandaharanasa “Ny asako rahampitso”, raha ny fanazavan’ny proviseur eo anivon’ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo Analakely, Rakotomalala Holy, raha nanontaniana, omaly. Andiany faha 15 ny hetsika, karakarain’ny Rotary club Ainga eto Antananarivo. “Tombony betsaka amin’ny fandaharanasa toy […]
CUA- kaominina Ambohimangakely : niara-nanadio ny lalana “Rocade Iarivo”
Nisy ny fanadiovana faobe ny lalana “Rocade Iarivo”, nanomboka etsy amin’ny Rond-point Andranobevava, Nanisana, hatrany Ambohimangakely Amoronakona, omaly. Fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny kaominina Ambohimangakely no nahatontosana izany. Niaraka nifarimbona ny mpanadio lalana avy amin’ny kaominina roa tonta satria toerana itambarana iny. Nandritra ny fiaraha-miasa teny an-toerana, […]
BEPC- Cisco Atsimondrano : hanomboka ny 2 mey ny adina fanatanjahantena
Efa hiroso amin’ny fanatanterahana ny adina fanatanjahantena ny Cisco eto Antananarivo amin’ny herinandro ambony. Manana foibem-panadinana telo ny Cisco Atsimondrano, ho an’ny taranja fanatanjahantena adina BEPC, amin’ity taona ity: Andoharanofotsy, Faliarivo Ampitatafika ary Andranonahoatra. Hosantarina ny 2 mey ho avy izao ny fandraisana ny mpiadina eny amin’ny foibem-panadinana Andoharanofotsy ary […]
Fifidianana filoham-pirenena : vonona ho kandidà ny depiote Masy Goulamaly, raha ilaina izany
Iza izy ? Ny depiote Masy Goulamaly Marie Jeanne d’Arc. Manambady ary manan-janaka efatra. Anisan’ny sakafo tiany ny haninkontrana : katsaka, vomanga, mangahazo. Eo koa ny anana sy ny angivy. Fialamboliny ny mikarakara ireo voninkazony. Anisan’ny fanatanjahantena tiany ny “Ping-pong”. Tia ny gadona sy hira klasika, ny beko sy tsinjake, […]




