Tsy mety fay! Nisy andian’olona avy ao Antanetibe Ambohitrarivo sy Akomby, fokontany Malaza, kaominina Avaratsena, nanao fanafihana miharo fandrobana ary fanapotehana fananan’olona ny herinandro teo. Fantatra taorian’ny fanadihadiana fa voafonja mamita asa ivelan’ny fonja (MOP) sy dahalo ireo nampihorohoro ny mponina tao an-toerana. Niroso tamin’ny fikarohana sy ny fisamborana ny […]
Mois : avril 2023
Kolejy iray eny Ankadilalana : mpianatry ny Lycée tratra nitsindrona rongony mahery vaika
Mpianatra vao herotrerony amina kolejy iray etsy Ankadilalana tra-tehaky ny polisy noho ny fidorohana sy fitsindronana zava-mahadomelina, afakomaly. Mirongatra tanteraka! Efa miantraika hatrany amin’ny mpianatra vao herotrerony ny fitsindromana ny karazana zava-mahadomelina mahery vaika amin’izao fotoana. Tovolahy iray mpianatra amina kolejy iray etsy Ankadilalana no saron’ny polisy avy ao amin’ny […]
Fakana an-keriny tetsy Ankadindramamy : voasambotra ireo jiolahy nitaky 10 tapitrisa Ar
Tafaverina amin’ny ray aman-dreniny, omaly, ny zazalahikely vao 7 taona, rehefa nalain’ny mpaka an-keriny teo an-tokotaniny tetsy Ambohidahy Ankadindramamy, ny 13 avrily lasa teo. Voasambotra ireo mpaka an-keriny roa. Nitady vola 10 tapitrisa Ar tamin’ny ray aman-drenin’ny zaza nalainy ireto jiolahy ireto. Nilalao irery teo an-tokontany io zaza io ny […]
Rôrô !
Rôrô indray izao no malaza. Tsy ilay mpanazatra ny ekipam-pirenena Barea akory, fa ity zava-mahadomelina mahery vaika mamorika ny zatovo malagasy maro ity. Heroïne na cocaïne no tena anarany fa teny miafina nifanaovan’ny samy mpidoroka sy ny mpivarotra azy izany. Tsy misy andro ka tsy handrenesam-peo momba azy ity manerana […]
Halatra 10 tapitrisa Ar : roa lahy mpirafy no namono an-dramatoa
Anjeva Gara! Nalefa eny Tsiafahy ny vadin’ilay ramatoa novonoina. Migadra miaraka aminy ny lehilahy iray voalaza fa sakaizan’ny maty. Mifampiampanga izy roa lahy mpirafy. Mifamahofaho ny raharaha! Miandry ny datim-pitsarana ny olona voarohirohy mivantana na ahiana ho tafiditra tamin’ny famonoana ilay vehivavy, mpamongady legioma teny Anjeva Gara, ny talata 18 […]




