Mois : avril 2023

Firenena 4 anatin’ny COI: hamafisina ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza

Manao atrikasa mandritra ny hateloana eto Mada­ga­­sikara ny firenena 4 ao anatin’ny vondron’ny ranomasimbe indianina : Mada­gasikara, Maurice, Comores ary Seychelles momba ny fanamafisana ny fahazai-miatrika sy ny fitantanana ny asa rehefa misy loza na voina aty amin’ny ranomasina indianina. Tanjon’ny fi­haonana ny fanombanana ny fandrosoan’ny fandaharanasa iraisan’ny firenena mpikambana sy […]

Fikambanana Malaza ny Gasy : ankizy sahirana 5 500 raisina an-tanana

Mahatratra 5500 ireo ankizy sahirana raisin’ny fi­kambanana Malaza ny Gasy an-tanana manerana ny Nosy. Mahatratra 250 ireo mpanabe mampianatra azy ireo. Manampy sy mampianatra ireo ankizy sy tanora sahirana manerana ny Nosy, indrindra ny ankizy kere any amin’ny faritra Atsimo ny fikambanana, amin’ny alalan’ny “Ecole de la chance”. “Mbola misedra olana ny […]

Distrikan’i Vangaindrano : fianakaviana manodidina ny 1 000 hotohanana ara-tsakafo

Sahirana amin’ny sakafo ny mponina ao amin’ny distrikan’i Vangaindrano taorian’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo. Hidina any an-toerana ny ekipan’ny BNGRC hitondra vary hamonjena azy ireo. Hanainga amin’ny he­rinandro ambony ny fiara hitondra sakafo ho an’ireo fianakaviana tratran’ny hanoanana ao amin’ ny distrikan’i Vangaindra­no, araka ny fanambaran’ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Andriakaja […]

Fitaterana an-dranomasina : mila havaozina ireo seranan-tsambo maro

Anisan’ny lohany eran-tany amin’ny fitaterana an-dranomasina ny Vondrona CMA CGM, izay am-polo taona maro taty amin’ny ranomasimbe Indianina. Mihena ny asan’io orinasa io ankehitriny eto Madagasikara noho ny tsy fahampian’ny seranan-tsambo mihodina tsara, an­koatra ny any Toamasina sy Ehoala any Taolagnaro. Amin’izao fotoana izao, mbola olom-bitsy no mahazo sitraka amin’ny […]