Mois : avril 2023

RN4 : fiara nitondra razana nivadika

Nivadika teny ivelan’ny arabe ny fiara nitondra razana, niharan’ny fanakanan-dalana, tao Manerinerina, ana­tin’ny lalam-pirenena fahefatra, afakomaly. Avy any Mahajanga, nikasa hihazo an’Antananarivo ity fiara tra-doza tampoka ity. “Nisy nametraka hazo lehibe teo afovoan’ny lalana ka niezaka niala izany ny mpamily”, hoy ny fanazavan’ny kapiteny lehiben’ny zandary ao Ankazobe. Nivoaka ny […]

Mandritsara : dahalo saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Tratra nangalatra omby, nifanenjehan’ny fokonolona ka niharan’ny daroka sy vono ny dahalo iray tao Am­balavelona Kianga, Kao­mi­nina Ambodiamontana, distrikan’i Mandritsara, afakomaly. Nalainy an-tsokosoko ny omby telo tao amin’ny tanàna atao hoe Ankotsoho­tso sy ny omby iray hafa tao Ambalavelona. Nampandre ny fokonolona ny tompon’ny omby very. Natao ny fi­voriana ka […]

Soavinandriana : tovolahy nanolana vaviantitra nidoboka am-ponja

Noteren’ny filan-dratsiny, nidoboka am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray saika hanolana ramatoa 70 taona tao Ampitsaharana, Soavinandriana, afakomaly. Niditra an-keriny tao amin’io vaviantitra io ity mpanolana ity. Noferany tsy hiloa-bava ilay ramatoa. Notolominy teo ambony fandriana avy hatrany ity farany. Niezaka hiala saingy tsy afa-nanohitra ny tan­jak’ilay lehilahy izy. Nora­honany hovonoina […]

Ankadindratombo: jiolahy tratra teo am-pamakiana trano

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Alasora (CSP) teny Anka­din­dratombo, omaly, ny jiolahy raindahiny mpamaky trano. Nahazo loharanom-baovao ny polisy fa misy trangana halatra miharo vaky trano tamin’io fotoana io teo Ankadindratombo akai­kin’ny toeram-pivarotana fanafody iray eny By-Pass. Tsy niandry ela ny polisy fa fotoana fohy taorian’izay, tonga teny […]

Anjozorobe : dahalo roa lahy rotiky ny bala

Lavo tao anatin’ny fifanenjehana ny dahalo roa lahy anisan’ny ikoizana amin’ny halatra omby ao anatin’ny distrikan’Anjozorobe, afakomaly. Maty tsy tra-drano ny dahalo roa nandritra ny fifandonan’izy ireo tamin’ny zandary, tao amin’ny kizo Maro­tsin­gala, fokontany Ambato­no­sy, kaominina ambanivohitra Ambatomanoina, distrika Anjozorobe, ny sabotsy 22 avrily teo. Ampolony ireo olon-dratsy nifanehatra ta­min’ny […]