Tapitra teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny dian’ny Makis de Madagascar, sokajy U20 eo amin’ny fiadiana ny «Trophy Barthès 2023 ». Nosakanan’i Tunisie ny lalan’ny Malagasy. Niondrika teo anatrehan’i Tunisie, tamin’ny isa mazava 50 no ho 10 ny Makis de Madagascar sokajy zandriny U20, teo amin’ny dingana ampahefa-dalana, niadiana ny “Trophy Barthès”. […]
Mois : avril 2023
Ambohitrimanjaka : nisy ny fanaovana santa-bary
Nanatontosa ny Alahamadibe ihany koa ny teny Ambohitrimanjaka. “Alahamadibe Ambonivohitra Ambohitrimanjaka, Efa-dray Efa-dreny” no niantsoana azy. Ny Zanadrano mpitana fomba, niaraka tamin’ny fikambanana samihafa avy eny an-toerana no nikarakara ny hetsika. Nampiavaka ny teny Ambohitrimanjaka ny fisian’ny santa-bary. Nandritra ny Alahamadibe, nisy ny fanaovana ny santa-bary sy ny famerenan-kasina natao […]
Dihy ankehitriny: 25 taona ny Compagnie Rary
Nampianatra sy nanabe olona maro teo amin’ny tontolon’ny dihy. Taona 2023, mandia ny faha-25 taonany ny Compagnie Rary. Naneho ny mampiavaka azy ry zareo… Iray amin’ireo sehatra ivelarana talenta maro eo amin’ny tontolon’ny dihy sy fianarana izany ny Compagnie Rary. Notanterahina, ny sabotsy 22 avrily teo, teny amin’ny kianja Maitso […]
Justice et Paix : “Aoka ho maodely ny mpanao politika”
“Aoka ho maodely amin’ny lafiny rehetra ianareo mpanao politika. Tsy ny fanaovanareo kabary ambony vavahady na kobaka am-bava na fizarazaranareo vola sy zavatra etsy sy eroa akory no haneken’ny vahoaka sy hanarahany anareo, fa ny fahitany ny fiainanareo andavanandro”. Io ny fehinkevitry ny fivoriamben’ny Justice et Paix eo anivon’ny Ekar, […]
Ravalomanana tany Sava : “Hiaraka hanova ny tantara isika…”
Nitohy tany Sambava sy Antalaha, ny hetsika fanentanana ny olom-pirenena, nataon’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc ny faran’ny herinandro teo. “Hiaraka hanova ny tantara isika”, hoy izy. Nankasitrahany ny fomba nandraisana azy ka mampihetsi-po ny mpanorina ny Tim. Notanterahina tany an-toerana ny kongresim-paritra. Eo koa ny fanentanana ireo olona rehetra […]




