Mois : avril 2023
Boriborintany V: nanampy ny mponina ny tolotra ara-pahasalamana
Maherin’ny 600 ireo olona noraisina an-tanana nandritra ny hetsika ara-pahasalamana notanterahin’ny CUA teny amin’ny fokontany Ambatomaro Antsobolo, ao anatin’ny boriborintany V, tamin’iny herinandro iny. Nidina teny an-toerana ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, nampahery ny vahoaka hazoto sy ho saropiaro amin’ny fahasalamana. Nampiavaka ny hetsika teny an-toerana ny fiarahana tamin’ireo federasionan’ny […]
CUA-MEH-Jirama: tontosa ny tetikasa « Hazavao ny elakela-trano »
Nisantarana ny tetikasa “Hazavao ny elakela-trano” eto anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny alakamisy teo, ny eny amin’ny fokontany Behoririka, Ambatomitsangana, Ankadifotsy, ao anatin’ny boriborintany fahatelo.. Nisongadina ny fiovana satria tena namirapiratra ny tanàna nohazavain’ny jiro. Nanamarina izany ny mponina amin’ireo toerana ireo izay nankasitraka ny mpitantana ny tanàna sy ireo […]
Fampivoarana tanàna : hampandroso an’Ampasika ny Tafa
Vonona ny hampandroso ny fokontanin’Ampasika ny fikambanana Toky sy Andry amin’ny Fampandrosoana an’ Ampasika (Tafa). Araka ny voalazan-dRandriamanana Armand, filohan’ny Tafa, omaly, teny an-toerana dia tsy misy ambadika politika ny adidy sy andraikitra ataon’izy ireo eny an-toerana. Tanjon’izy ireo ny hampiditra ireo kilonga an-tsekoly, hamerina ny soatoavina malagasy, hanentana ny […]
Fiovan’ny toetr’andro : firenena marefo voalohany indrindra eto Afrika i Madagasikara
Voalaza ho anisan’ny firenena iray eto Afrika anjakan’ny fiovan’ny toetr’andro i Madagasikara, raha ny nambaran’ny fikambanana Aika. Mijoro handray andraikitra sy hanampy ny tanora malagasy izy ireo mba hiady amin’izany olana izany. Firenena marefo voalohany indrindra eto Afrika i Madagasikara amin’ny fiovan’ny toetr’andro, raha ny nambaran’ny fikambanana Alliance Aika, omaly, […]




