Mois : avril 2023

Olan’ny rugby: miziriziry ireo ligy voasazy

Na efa namoahan’ny Ma­la­gasy Rugby sazy sy efa nam­panantsoin’ny vaomieran’ny fitsipi-pifehezana aza ireo ligim-paritra (Vakinan­karatra, Betsiboka, Menabe), mbola mikiry manohitra ny rafitra mpitantana ihany. Na­natanteraka fivoriambe tsy ara-potoana indray izy ireo, niaraka tamin’ny ligin’i Ma­tsiatra Ambony sy Diana, ny talata lasa teo, teny amin’ny UCM Ambatoroka. Natre­hin’ny solontenan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena […]

Rugby vehivavy – «Sevens challenger series»: fandresena 1 sy faharesena 2 no azon’ny Makis

Teo ho eo ny vokatra azon’ny Makis de Madagascar vehivavy, teo amin’ny fiadiana ny “Sevens challenger series”, ho an’ny rugby lalaovina olona 7. Faharesena indroa misesy ary fandresena indray mandeha no azon’i Madagasikara, tao amin’ny vondrona nisy azy. Nahazo isa 3 ny Makis Ladies, teo amin’ny dingana voalohany amin’ny fiadiana […]

Alahamadibe: anisan’ny nankalaza ny teny Mangabe Ambohimanga

Fotoan-dehibe ho an’ny eto Imerina ny fotoanan’ny Alahamadibe. Nankalaza izany avokoa ny vohitra masina misy ireo Raiamandrenibe. Ankoatra ny teny Mangabe, nanao fankalazana ihany koa ny teny Ambohimanga Rova sy ny Zanadranavalona teny Anosimanjaka. Nanatontosa ny fankalazana ny tsinambolan’ ny Alahamady, ny alakamisy 20 avrily 2023, teny Mangabe, ny vondron’olona […]

Fanakorontanana fifidianana : mampitandrina ny minisitry ny Fiarovana

“Antso avo no atao amin’ ireo mety manana eritreritra hanakorontana, fa ho hentitra izahay amin’ny fampanja­kana fandriampahalemana sy fitandroana filaminana mano­loana an’ireo mandika lalàna na manohintohina ny filaminam-bahoaka”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa, teny Ivato, afakomaly, tamin’ny fandraisana ny helikoptera natolotry ny filoha Rajoelina ho an’ny […]