Mois : avril 2023

CSI – Kolikoly : “Tokony hisy trondro vaventy ho voasazy”

“Mba hisy trondro vaventy voasazy amin’ny fanaovana kolikoly sy fanodinkodinam-bola”, hoy ny filohan’ny Ko­mity ho amin’ny fitandroana ny fahitsiana (CSI), Rabena­rivo Sahondra, teny Anta­ninarenina, afakomaly, tamin’ ny tatitra ny asa vita tamin’ny taon-dasa. Malahelo ry zareo raha nandritra ny dimy taona fe-potoam-piasana iray ma­nontolo lanin’ny Antenimie­rampirenena, nefa tsy misy na […]

Fanakanana hetsika anaty toerana mifefy: nitory eny amin’ny fitsarana ny eo anivon’ny MMM

Nosakanan’ny lehiben’ny distrikan’i Fandriana ny hetsika nokasaina hatao ao amin’ny toerana voatokana ao Imito, ny zoma lasa teo. Tsy nipetra-potsiny anefa ny eo anivon’ny MMM Amoron’i Mania fa nametraka fitoriana. Hiroso amin’ny dingana lalina kokoa. Name­traka fitoriana eny amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana any Fi­anarantsoa ny MMM Amo­ron’i […]

Nahazo helikoptera Airbus H 130… : “Nilofosako ny fampitaovana ny Tafika ana habakabaka”, hoy ny Filoha Rajoelina

Natolotry ny filohan’ny Repoblika sady lehibe faratampon’ny Foloalindahy, Andry Rajoelina, tamin’ny fomba ofisialy, ny alakamisy teo, teny amin’ny 1er Batail­lon Parachutiste Ivato, ny helikoptera vaovao, Airbus H 130, ho an’ny Tafika mala­gasy. Nandray ny fanalahidin’ ity helikoptera ity ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, notronin’ny lehiben’ny Etamazao­ron’ireo Tafika sy […]

Mihazakazaka

Samy milomay ! Manao izay ho afany avokoa ny ankolafin-kery politika ankehitriny. Anisan’ny manao befiavy ny mpitondra. Manao angaredona manerana ny Nosy. Taorian’ny tapany avaratra sy tany Amoron’i Mania, any atsimo indray ny fotoana manomboka anio. Eo ny resaka lalam-pirenena faha-13, fa anisan’ny anton-dia ny resaka ady amin’ny kere. Zava-dehibe roa […]

Voaroba 10 tapitrisa Ar…: vehivavy nokendaina bodofotsy, notontaina vazy ny lohany

vonoina tamin’ny fomba feno habibiana ka hita faty tao an-tranony ao Amboalefoka, Anjeva Gara, ny talata teo, ny renim-pianakaviana iray 36 taona. Notontaina vazy ny lohany mialoha ny nanakendana azy tamin’ny bodofotsy… Nampihoron-koditra! No Valifaty sa asan-jiolahy? Nofatorana tamin’ny tadina chargeur ny tanany, notontaina vazy ny lohany, avy eo nokendaina […]