Mois : avril 2023

Itaosy: lehilahy maty voatsatok’antsy

Maty voatsatok’antsy teo amin’ny tendany ny lehilahy iray mpanao taxi-moto tetsy Itaosy, ny alatsinainy hariva teo. Ny harivan’io andro io, ni­tondra moto fampiasany isan’ andro ity lehilahy ity. Nahita azy anefa ireo tsy mataho-tody ka nanatsatoka antsy azy avy hatrany. Naratra mafy teo amin’ny tendany io mpitondra taxi-moto io. Niezaka nanavotra […]

Ambohitsiroa : mirongatra ny mpivarotra rongony

Tsy voafehy! Olona enina (mpivarotra sy mpifoka rongony) indray voasambotry ny polisy miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup), teny Ambohitsiroa Ambohidratrimo, afakomaly. Nahazo loharanom-baovao ny polisy momba ny fisiana mpivarotra sy toerana fidorohana rongony eny amin’iny faritra Ambohitsiroa iny. Nanao ny vela-pandrika ka tratra teo am-pivarotana rongony ny lehilahy iray. Rehefa […]

Disadisa tao an-tokantrano : nidoboka eny Tsiafahy ilay rangahy nahafaty ny vadiny

Taorian’ny fampanoavana omaly, nidoboka eny Tsiafahy ny raim-pianakaviana iray nahafaty ny vadiny tetsy Ala­sora, ny faran’ny herinandro teo. Niatomboka tamin’ny fisian’ny fananana simba tao an-tokantrano ny disadisa teo amin’izy mivady, ny alahady teo. Niakatra ny hafanam-po teo amin’izy mivady. Nitady toaka ary nisotrosotro izany io raim-pianakaviana io. Tsy vitan’izay, nidoroka […]

« Parking » Ampefiloha : roa lahy tratra nangalatra tao anaty fiara

Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny compagnie urbaine de circulation (CUC/CSP4), nandrindra ny fifamoivoizana teny Ampefiloha, omaly, ireo jiolahy roa, tompon’antoka tamina halatra tanaty fiaran’olon-tsotra iray. Nipetraka teo amin’ny fiantsonan’ny fiara “parking” eo Ampefiloha ity fiara ity no nidiran’izy roa lahy tampoka. Sendra nivoaka ny tompon’ilay fiara ka nanararaotra niditra tao […]

Isaky ny alina maty jiro… : naolan-drainy ny zanany vavy moana marenina

Efa tsy olona intsony! Nidoboka am-ponja ao amin’ny fonjaben’i Miarinarivo, afakomaly, ilay raim-pianakaviana nahavita nanolana an-janany vavy manan-kilema (moana sy marenina)… Tokony homena ny sazy faran’izay mafy! Ny polisy miasa ao amin’ ny kaomisaria Soavinandriana no nahasambotra ity raim-pianakaviana nahavita nanao fihetsika mamoafady tamin-janany vavy ity. Tsy vitan’ izay fa […]