Tapaka ny heviny fa hanatevin-daharana ny mpanakanto malagasy! Rosemonde Diana, zanak’i Rosemonde “Kaiamba” (mihira sady mitendry). Rosemonde Diana, nanovo traikefa lehibe tany anivon’ny antoko mpihira. Ankoatra ny fananany feomanga sy matanjaka mahatakatra ny avo sy afaka midina ambany indrindra, manan-talenta sy nandalina ny sehatry ny fitendrena vatamaroafitsoka sy ny famoronana […]
Mois : avril 2023
Mozean’ny Saripika : haranty ny momba ny lamba
« Lohahevitra iombonan’ny Malagasy no nofidinay amin’ny alalan’ity fampirantiana momba ny lamba ity », hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Mozean’ny Saripika eny Anjohy Andohalo. Ranty hanomboka ny 22 avrily izao. Hisongadina amin’ireo saripika hiranty eny an-toerana ny fomba fampiasana ny lamba eny amin’ny fiarahamonina, manoloana ny lafiny tantara sy ny maha olona. […]
“Tango”: nifarana ny atrikasa nataon’ny Trio Buenos Aires
Mitohy hatrany ny ezaky ny Anac amin’ny fampiroboroboana ny haikanto samihafa eto Madagasikara. Anisan’izany izao fanafarana mpahay kanto matihanina avy any ampitan-dranomasina izao, hizara sy hitafatafa amin’ny mpahay kanto sy ireo taninketsan’ny haikanto malagasy. Nifarana, omaly, teny amin’ny Academie Nationale des Arts et de la Culture (Anac) Anosy, ny atrikasa […]
« Mibala Tournament » : lavon’ny Cntemad ny ESD
Nahazo fandresena voalohany tamin’ny fifaninanana basikety “Mibala Tournament” ny Oniversite Cntemad Ankadifotsy. Lavon’ireo mpianatr’Ankadifotsy, tamin’ny isa 54 no ho 34, ny ESD, ho an’ny sokajy lehilahy. Fihaonana notanterahina omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Araka ny lalao, nifandanja tsara ny roatonta nandritra ny fizaram-potoana voalohany (1ère / 2ème quart-temps), ka […]
Kitra any Frantsa : 11 mirahalahy hiady ny «Prix Marc Vivien Foe 2023»
Ho fantatra amin’ny 30 mey ho avy izao ny anaran’ izay mpilalao handrombaka ny amboara «Prix Marc Vivien Foe 2023», taranja baolina kitra. Fifaninanana karakarain’ny France 24 sy ny Radio France International (RFI). Marihina fa natokana ho an’ ireo mpilalao afrikanina, milalao any Frantsa ao amin’ny “Ligue 1” ny “Prix […]




