Ambatoroka: lehilahy tratra nangalatra vatokely efatra gony

Hafakely indray ity! Voa­sambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo teny Ambato­roka, ny alatsinainy teo, ny lehilahy iray tratra nangalatra vatokely efatra gony. Naha­zo antso ny polisy, tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro tamin’io fotoana io, momba ny fisiana trangana halatra vato tao amina tokantrano iray. Tonga teny an-toerana ny polisy nanamarina izany ka lehilahy iray no tratra nangalatra vatokely fampiasa amin’ireny fanamboaran-trano ireny. Raha ny fanadihadiana nataon’ny polisy, efa nahatafangona efatra gony izy kanjo izao tratran’ny polisy tampoka izao. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy avy hatrany izy mba hanaovana fanadihadiana. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana azy.

Jean Claude

Partager sur: