Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Alarobia, ny fifaninanam-pirenena taranja atletisma, sokajy rehetra. Tsy nisy ny fe-potoana vaovao montsana saingy nisongadina ireo atleta vao nisondrotra. Teo amin’ny vokatra, norombahin’ny ligin’ Analamanga, ny voalohany ho an’ny fandrombahana ny medaly volamena. Saika nisongadinan’ny atletan’izy ireo avokoa ny ankamaroan’ireo “épreuves” nifaninanana. Anisan’izany ny teo amin’ny 10 000 marche “senior”, lehilahy, izay azon-dRamaroson Theophille sy ny 3000 m steeple, vitan-dRalisinirina Marthe. “Mahavelombolo ny fahavitrihan’ny atleta tamin’ity ary efa azo antoka ny mpandimby izay mahavita zavatra tsara”, hoy Andriamahazo Norolalao, filohan’ny federasionina (FMA). Tsiahivina fa hitiliana ireo handrafitra ny ekipam-pirenena ho an’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2027), izy ity. Miisa telo ny fampivondronana ireo atleta mendrika. Hanomboka izany ny volana desambra ary amin’ny avrily ny faharoa. Roa volana mialoha ny lalaon’ny Nosy kosa ny fahatelo.
Tompondaka




