Iray ihany ny Malagasy ! Miezaka ny mivoy io fehezan-teny io, ankehitriny, ny ankamaroan’ireo manam-panahy handalana. Manezaka ny nandrava ny firaisan-kina ny vahiny mpanjakazaka an-tanin’olona fa tsy nahatonga hatramin’ny farany. Nafafy ny « zarazarao hanjakana ». Naparitaka ny « fikitra mampiady angely » isan-karazany fa mbola indreo eo ihany ny fihavanana maha Malagasy…
Vanim-potoana lehibe nolalovan’i Madagasikara sy ny Malagasy ny fanjanahantany (fanjakazakana an-tanin’olona nataon’ny vahiny). Nitondra sy nametraka ny forongony izy ireny, nialohan’ny nandaozany an’i Madagasikara. Nampifandrafiany ny samy Malagasy. Anisan’ny paikady lehibe nampiasan-dry zareo tamin’izany ka hatramin’izao ny fanomezana tombony ny hafa sy fanilihana ny sasany….
Nanao randra-mitarika io, ka nitarazoka sy mitady hipaka any amin’ny tsy fifanajana. Na iray aza ny Malagasy, tsy azo hadinoina fa midadasikabe i Madagasikara. Samy manana ny fombany, samy manana ny fadiny, samy manana ny kolontsainy… Harena ho an’ity Nosy ity ireny fahasamihafana ireny raha hay ny mitrandraka azy.
Manomboka mahazo vahana anefa ny tsy fifanajana sy ny tsy fanajana io fahasamihafana io. Mety ho vokatr’ilay tarazo nolovaina tamin’ireo mpanjakazaka an-tanin’olona sy ny forongony. Fa mety avy amin’ny tsy fahalalana ihany koa. Lehibe indrindra amin’izany ny tsy fahalalana ny tantara sy ny tena zava-nisy (sy misy) marina. Vitsy rahateo ireo afaka naneho ireny tantara marina nitranga teto Madagasikara ireny, fahiny, noho ny zava-nanjo ny Malagasy tao anatin’ny taona maro.
Ny tantara mihitsy no
manjavozavo
Tsy mba nampiasa soratra ny Malagasy fahagola fa niaina niaraka tamin’ny lovantsofina sy ny tadidy vava. Maro ny very sy niova endrika, vokatr’izay. Nipoitra ny « honohono » isan-karazany. « Fady anay, hono, ny mihinana voankena » ! Tsy nisy « hono » izy io fahiny fa mahitsy be tahaka izao : « Fady antsika ny mihinana voankena » ! Tsy nisy nanontany izay antony satria toteny ny raiamandreny taloha. Ny tanora nampitaina ihany koa nanaja fatratra azy ireny.
Taty aoriana, ireo raiamandreny mitady (na miady) laharana ho zanaka. Mamaly boraingina ny fanontanian’ny zanaka noho ny tsy fahafehezana ny tantara. Na mahay ihany fa manjavozavo. Ny zanaka, maneho faharanitan-tsaina sy fananana fahalalana lehibe eo anoloan’ny raiamandreny, noho izy ireo nandia fianarana lavitra. Tonga ho azy ny tsy fifanajana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany.
Nanoratra tantara ihany ny mpikaroka (vahiny na Malagasy) taty aoriana, saingy, voabaikon-javatra (vola, tombontsoa manokana…) ny ankamaroan’izy ireny, Izay tian’ireo nanome vola hosoratana ihany no voasoratra. Ny mahavariana aza, Malagasy ray sy reny izao no manoratra, kanefa teny vahiny no ampiasaina. Ilay tantara efa nodisoina. Ireo hamaky azy mbola ny vahiny ihany no nomena vahana… Tsy mahagaga raha mbola mihevitra ny tenany ho tompon’i Madagasikara izy ireo (vahiny). Ny Malagasy kosa mihevitra azy ho vahiny satria ny tantarany sy ny tanindrazany aza voasoratra amin’ny teny vahiny. Endrika roa mifanipaka maneho tsy fifanajana ihany koa io. Tsy voahaja ny lamina voajanahary.
Mila omena lanja ny mpikaroka, ireo raiamandreny mahatahiry tantara, raha tiana ny hahafantatra bebe kokoa sy tsaratsara kokoa ny momba azy ny Malagasy.
HaRy Razafindrakoto




