Anisan’ny noresahin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, tamin’ireo Malagasy any Egypte, omaly, ny toe-draharaha politika. Nambarany fa efa tafiditra amin’ny fanombohana ny dinika politika ny fihaonany tamin’ireo filoha teo aloha, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. « Voafidim-bahoaka izy ireo ary efa filoham-pirenena sady raiamandreny ka tsy maintsy apetraka amin’izy ireo ny tokony hatao », hoy izy. Nanteriny fa mbola hiverina hanohy ny fifampiresahana izy telo lahy mianaka ireo, hiara-kijery ny fomba hitondrana ny dinika politika, araka ny nambarany hatrany. Na izany aza, natsidiny fa tsy tokony hanana ahiahy ny rehetra fa tsy maintsy hatao amin’ny taona ho avy ny fifidianana raha mizotra araka ny tokony ho izy ny fifampiresahana. « Miankina amin’ny dinika politika izany fifidianana izany », hoy ihany izy.
Ankoatra izay, nambarany fa efa vonona ny vola ho amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. Notsindriny fa tsy nangataka fanampiana avy any ivelany ny fitondram-panjakana hanatontosana izany. « Manampy eo ihany ny mpiara-miombona antoka raha hanohana fa ny vola aloha efa ampy », hoy ihany izy. Nambarany fa efa eo am-pitadiavana foiben-toerana hikarakarana sy hanomanana ny fikaonandoham-pirenena amin’izao fotoana izao ny FFKM.
Synèse R.




