Naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ny filoha nasionalin’ny antoko HVM. Anisan’ny noresahiny ny momba ny fihaonana tato ho ato sy ny fikaonandoham-pirenena.
Nitondrany ny heviny ny momba ny fifampiresahana sy ny fifanatonana teo amin’ny mpitondra am-perinasa sy ireo mpitantana teo aloha. Nambarany fa nanana tanjona ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, tamin’ny fihaonana amin’ireo filoha teo aloha roa lahy, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Anisan’izany ny fifanakalozana traikefa sy ny fifampihainoana, manoloana ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana izao. « Tsy midika velively ho fiaraha-mitantana na fifampizarana fahefana anefa izany fa dingana iray ihany ho amin’ny fiarahana mikatsaka ny vahaolana sy ho fanarenana maharitra ny firenena iaraha-manana », hoy izy, omaly.
Tsy hifampiraharaha…
Etsy andaniny, nohamafisin’ity filoha nasionalin’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara ity fa tsy sehatra hanadiovana na hanomezana rariny ireo tompon’andraikitra tamin’ny fahadisoana sy ny fanimbana ny firenena ny fikaonandoham-pirenena.
Nanteriny kosa anefa fa natao hisokatra amin’ireo hery politika sy olom-pirenena vonona handray anjara amin’ny fanarenana ny firenena ny dinika. « Tsy natao hifampiraharahana amin’ireo efa nanimba ny tombontsoam-pirenena anefa izany », hoy ihany izy.
Tsiahivina fa mandalo eto an-tanindrazana ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, sady filoha mpanorina ny HVM, amin’izao fotoana izao.
Synèse R.




