FANTINA sy FINTINA

Niseho tamin’ny alalan’ny visioconférence teo anatrehan’ny BRC Ravatomanga Mamy, omaly tatsy amin’ny Nosy Maorisy. Nisy fangatahana nataony tamin’izany. Nofaritana ho amin’ny 17 sy 18 aogositra ho avy izao ny fotoam-pitsarana handinihana ny fangatahany hahazo fahafahana vonjimaika misy anto-bola.
Tsy mijanona amin’ny fanovana rafitra ihany ny fanavaozana hapetraka fa mila manova toe-tsaina sy fitantanana mangarahara, araka ny nambaran’ny minisitra, ny Me Razafimanantsoa Hanitra. Namba­rany fa tafiditra ao anatin’izany ny fomba fandraisana fanapahan-kevitra vaovao. « Manome feo ny tanora ny Fanavaozana », hoy izy.
Nisavorovo ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora natao teny Ivato, omaly. Tokony hisy solontena roa isam-paritra mitondra ny hetahetan’izy ireo any, raha ny fifanarahana. Niova tampoka izany tamin’ny fivoriana fa tsy nahazo niteny izy ireo, araka ny namolavolana azy. Nilamina ihany avy eo ary nitohy ny fikaonandoha.
An-jatony ireo voasambotra ary misy ny efa voatsara amin’ny fisolokiana ana habaka « Sca­mming », araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, omaly. Nambarany fa mifandray amin’ny famarinan’olona izany. Efa nalefa any amin’ny firenena niaviany ny sasany. Voalaza fa niatombohan’izany ny teto Antananarivo sy i Toamasina.

Partager sur: