Maherin’ny 100 isa eo ny faritra arovana eto Madagasikara. Napetraka ny vina fa hampitomboina 27 indray izany manerana ny Nosy. “Ilaina ny fiaraha-mientana sy ny fanomezan-tanana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka, indrindra ny olom-pirenena tsirairay avy, izay manana anjara biriky amin’ny fiarovana ny zava-mananaina”, hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Vina Orléa, omaly, nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny karazan-javamananaina, eny Nanisana. Maharitra roa andro ity fankalazana ity. Ahitana fampirantiana maro isan-karazany avy amin’ireo mpiara-miasa amin’ny minisitera izany. Hita eny an-toerana avokoa ireo vokatra mampidi-bola ataon’ireo vondron’olona ifotony mpiaro ny faritra arovana. Voizina amin’ity taona ity ny lohahevitra, fifanarahana manjary asa: Ndao hanarina ny karazan-javamananaina.
Henintsoa H.




