Natsangana ny tetikasa Rindra, tetikasan’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana (PNUD). Mamatsy vola izany ny sampandraharaha Amerikana ho an’ny fampandrosoana eran-tany. Notontosaina omaly, teny amin’ ny Novotel Ivandry, ny fampahafantarana izany, tamin’ny fomba ofisialy.
Novolavolaina mba hahafahana mandrindra ny antontan-kevitra avy amin’ireo minisitera sy ireo Andrimpanjakana samihafa ny tetikasa. Hanampy ny olona hahafantatra ny momban’ny fampiasam-bola sy ny fitantanam-bola mangarahara ary ireo torohay isan-karazany. Tanjona ny fanamafisana ny fitondrana tsara tantana eto Madagasikara. Hisy ny fitaovana manokana hanangonana ny antontan-kevitra azo antoka ka ho hitan’ny sarambabem-bahoaka. «Mampivoatra ny fenitra takian’ny vanim-potoana ankehitriny ny rafi-pitsarana malagasy ity tetikasa manome sehetra ny sokajin’olona marefo sy anjorom-bala hisitraka ny asam-pitsarana. Hanamora ireo vaovaom-pitsarana amin’ny fanamaivanana ireo fomba sy dingan’asa ary hampihena ny fahatarana amin’ny fikirakirana ny asa ihany koa ny Rindra. Ankoatra izay, hampitombo ny vola miditra amin’ ny kaominina amin’ny faritra dimy eto Madagasikara izany. Hanatsara ny enti-manana ho an’ny fampandrosoana eny ifotony koa izy. Ary hamolavola laminasam-piofanana hahafahan’ny tomponandraikitra sy ny mpiasan’ny kaominina 100 iasan’ny tetikasa.», araka ny fanazavan’ireo tomponandraikitra.
Manakaiky vahoaka
Hanatsara ny fandraisan’ anjaran’ny olom-pirenena ary hampitombo ny kalitaon’ny tolotra amin’ireo asam-panjakana ny tetikasa Rindra. Hampitombo ny fandraisan’anjara ny daholobe amin’ny fanapahan-kevitra ihany koa. Hampiditra ny fanabeazana ny olom-pirenena sy ny fampandraisana anjaran’ny tanora eo amin’ ny asam-pokonolona eo anivon’ny sekoly manerana ny distrika eto Madagasikara. Hiasa amina kaominina 100 amin’ny faritra Analanjirofo, Sava, Atsinanana, Menabe ary ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina ity tetikasa ity.
Haharitra dimy taona ny fanatanterahana ny tetikasa Rindra.
Henintsoa H.




