Depiote Rakotondrasoa Fetra : “Hifantoka amin’ny sosialim-bahoaka ny tetibola”

“Ny fanitsiana tetibolam-panjakana halefa eny amin’ny Antenimiera, inoanay depiote maro anisa fa hifantoka bebe kokoa amin’ny lafiny sosialy misy fiantraikany mivantana amin’ny ativilanin’ny vahoaka.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Mia­rinarivo tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotondrasoa Fetra, momba ny tsy maintsy hisian’ ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana, taona 2023, amin’ izao fivoriana ara-potoana voalohan’ny parlemanta izao.
Ny momba ny vary: ahoana ny fomba hatao hialana amin’ny fiakaran’ny vidin’izany? Sosialim-bahoaka izay. Tsara raha haompana amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa mifandraika amin’izay famorakam-bary izay ny vola ampiasain’ny fitondram-panjakana. Eo koa, ohatra, ny fiompiana: iza no tsy mihinana hena, atody, trondro… ? “Ny dikan’izay: raha kitihina izany rehetra izany, mikitika ny sosialim-bahoaka isika”, hoy izy.
Sosialim-bahoaka koa ny fikitihana ny tontolon’ny fanabeazana, satria miantraika avy hatrany amin’ny fiainan’ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny ray aman-dreny. Sosialim-bahoaka koa ny fikitihana ny tontolon’ny fahasalamana. Deraina raha ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana amin’ity taona 2023 ity mi­fantoka bebe kokoa amin’izay sosialim-bahoaka izay, araka ny nambarany. Manaraka, ny tetibola ho amin’ny fifidianana. Raha ny lalàmpanorenana, amin’ity taona 2023 ity no hanatanterahana ny fifidianana farafaharatsiny fifidianana filohan’ny Repoblika.

R. Nd.

Partager sur: