Eny ifotony. Tetikasa fanentanana sy fanetsehana ny tanora, ny vehivavy ary ireo manana fahasembanana handray anjara amin’ny fiainam-pirenena ny “Haogna”. Anisan’izany ny zotram-pifidianana. Nambaran’ny tomponandraikitra fa miasa amin’ny distrika 20 amin’ny faritra 11 izy ireo. Anisan’izany Analamanga, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Boeny, Bongolava, Diana, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Menabe ary Sofia. “Manentana ny mponina hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana, ary hampandray anjara ny tanora mba hisian’ny fitoviana amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny fiainam-pirenena izahay”, hoy izy ireo. Fomba fiasa ny fitsidihana isan-tokantrano, mitety vohitra, ary fanentanana eny an-tsena. Miisa 240 ireo mpanentana ka efa nahavita tokantrano maherin’ny 1 000. Miisa 500 eo isaky ny distrika kosa ireo nentanina. “Tokony hiditra anaty lisi-pifidianana ireo feno taona ary manana hatramin’ny 31 mey izao handehanana eny amin’ny fokontany manoratra ny anarana”, hoy izy ireo. Nitety tsena tao amin’ny distrikan’i Fianarantsoa ireo mpanentana, afakomaly. Miara-miasa amin’ny Ceni, amin’ny alalan’ny CED sy ireo “Agents Recenceurs” ny “Haogna”, ahafantarana ireo fokontany sy tokantrano tokony hotsidihina. Tsiahivina fa tetikasa tanterahan’ny CEDII, KMF/Cnoe ary ny “Coalition mouvements et leadership féministes” izy io, ary tohanan’ny Frankofonia (OIF) vola.
Synèse R.




