Nampita hafatra Pantekoty ny eo anivon’ny FJKM. “Ndao hiray hina fa tsy hiady mba ho levona”, hoy ny mpitandrina, Andriamahazosoa Irako Ammi.
Nampita hafatra Pantekoty ny eo anivon’ny FJKM, tamin’ny alalan’ny filohany, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi, ny herinandro teo. “Ndao hiray hina ka ho velona fa tsy hiady mba ho levona…”, hoy izy. Notsiahiviny fa hevitry ny firaisankina ny Pantekoty rehefa nilatsaka ny Fanahy Masina. Niray saina niaraka nivavaka sy niray hina ireo mpianatra, ary niomana handray ny Pantekoty. Voasoratra koa fa teo ny fitoriana ny maha iray ny mpianatra ho amin’ny fanohizana ny firaisan-tsaina hatramin’ny niakaran’ i Jesoa any an-danitra, araka ny nambarany. Nokolokoloin izy ireo izany ka iantsoana antsika, hiray hina fa tsy hiady ka ho levona.
Nanteriny fa nilatsaka ny Fanahy Masina ka nahagaga fa nahavita niteny amin’ny tenim- pirenena ampolony tamin’izany. “Asan’Andriamanitra izany. Samihafa nefa nampiray ny olombelona rehetra… Samihafa foto-kevitra sy loko ary samihafa fiavina….Ndao hiray hina na eo aza ny fahasamihafana”, hoy hatrany izy. Notsindriny fa nandrava ny fisarahana ny fahasoavan’Andriamanitra.
Antso avo
Manoloana izany, nanao antso avo ny filohan’ny FJKM. “Mifoka ny rivotry ny ady sy ny herisetra isika ary sempotry ny fankalahana”, hoy izy. Nambarany fa tsy maintsy misafidy isika na hodoran’ny avonavom-po sy ny fitiavan-tena, fitiavam-bola sy fahefana ary voninahitra ka hikipy, tsy hanao ny marina. Hivarina any amin’ny maizinkitroky ny fifamonoana. Na hihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina ka hikatsaka ny fihavanana sy hiray hina mba hiadanan’ny ambanilanitra. Hilaza amintsika ny ampitso na taranaka hendry isika na taranaka adala ka hifidy ny fifandringanana, araka ny nambarany.
Synèse R.




