Mois : mai 2023

Ady amin’ny valala : velaran-tany 17.577 ha voafendraka fanafody

Tombanana ho manodidina ny 17.577 ha ny velaran-tany voafendraka fanafody, nanomboka ny volana no­vambra 2022 hatramin’ny alakamisy teo. Famen­dra­hana ana habakabaka ny 9.680ha tamin’izany, raha an-tanety kosa ny 7.897 ha ambiny. “Ankehitriny, efa voafehy izany ka tsy hatahorana intsony”, hoy ny fanazavan’ny minisitra lefitra misahana ny Fiompiana, Dr Raymond, nandritra […]

Fizahantany : fiaraha-miasan’ny Orange sy ny Federasiona CTM

Hiara hanohana ny sehatry ny fizahantany eto Ma­da­gasikara ny Orange Ma­da­gas­car sy ny Confédération du tourisme de Madagascar (CTM). Omaly, nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny Tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric De­bord, sy ny Tale mpanantanteraka ao ny CTM, Rato­vomalala Lova. Misy fiantraikany betsaka eo amin’ny fizahantany sy ireo mpisehatra amin’izany ny […]

Tambajotra Antananarivo : foana ny delestazy

Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), omaly, fa hita ny marimaritra iraisana teo amin’ny minisitra Andriamanampisoa Solo, sy ny Vondron’ny kaompanian-tsolika eto Mada­ga­sikara (GPM) taorian’ny fivoriana, ny 4 mey teo. Araka izany, nomen’ny mi­nisitra toromarika ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny Jirama, nampitsahatra tsy misy hatak’andro ny fanapahan-jiro […]

200 taonan’ny fadin-tseranana : firosoana amin’ny teknolojia maoderina

Notokanana, omaly, teny Ivato, ny biraon’ny fadin-tseranana nohavaozina, ny Foibe fanaraha-maso ny famoahana entana. Ahitana ny fitaovana avo lenta, manaraka ny teknolojia maoderina amin’ny lafiny ladoany. Hanafaingana ny fikarakarana sy ny fanaraha-maso ny famoahana entana ny fisian’ity fotodrafitrasa ity, satria hihena ny fotoana lanin’ny mpanjifa. Nilaza ny tale jeneralin’ny fadin-tseranana, […]