Mois : mai 2023

ACS: “Tsy fizarana seza ny Tetezamita, raha… “

“Raha ny rivotra mitsoka amin’izao, mankany amin’ny Tetezamita. Eo ny fanapahan-kevitry ny FFKM hanao fi­ha­onambe. Zava-dehibe izany”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Fikambanan’ny CST sy loholona teo aloha (ACS), ny Dr Andriamaholison Jules, teny Antaninarenina, omaly. Raha tsy maintsy ho tonga amin’ny Tetezamita, tsy hizarana seza izany. Ny governemanta hajoro eo, […]

Depiote Randrianasoloniaiko Siteny : “Tsy ilaina ny valifaty politika sy ny hazalambo…”

Nitohy tany Ambato Boeny ny Mihava Tour, notarihin’ny depiote Randrianaso­lo­niaiko Siteny. Navoitrany tamin’izany ny fihavanana. “Tsy hisy ny valifaty politika sy ny hazalambo”, hoy izy. Nanteriny fa ilaina tandrovina ny fihavanana, araka ny hafatry ny papa Fransoa. Nokianiny koa ny ambarany fa “fandrobana” ny tantsaha amin’ny Taxe. 20 Ar izany […]

Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy: “Mitady vahaolana amin’ny olan’ny vahoaka ny filoha”

Anisan’ny nitondran’ny mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny Serasera, Lalatiana Rakotondrazafy fanazavana ireo manahirana ny vahoaka sy ny vahaolana avy amin’ny fanjakana. Anisan’izany ny lalana sy ny delestazy. “Tena mitady ny va­ha­olana amin’ireo mampikaikaika ny vahoaka ny filoha sy ny praiminisitra”, hoy izy tao amin’ ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano […]

Raharaha Raissa : manaratsy endrika ny tontolon’ny fitsarana malagasy

Anisan’ny raharaham-pitsarana mahoraka amin’izao fotoana izao ny « raharaha Raissa ». Nomelohin’ny fitsarana 7 taona an-tranomaizina, manao asa an-terivozona ity renim-pianakaviana ity, rehefa voampanga ho nikasa ha­mono olona. Etsy ankilan’izay, miampanga ny tomponandraikitra ambony ao amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny mpitsara ambony ho mpanao kolikoly, naka ny volabeny izy. Mifamotika eo ny […]

Fialofan’ny marefo hoe… ?

Teny filamatry ny fitsarana malagasy ny hoe fialofan’ny marefo. Raha vao miditra ny Lapan’ny fitsarana dia izay no mitsena. Toa miakatra ho azy ny moraly. Velom-panantenana izany ireo olona an’arivony isan’andro, tonga eny amin’ny tribonaly. Iza tokoa no tsy ho sodokan’izany fehezanteny izany? Indrindra ireo efa iharan’ny tsindrihazolena sy ny […]