Tsy ny fambolen-kazo ihany no famerenana maitso ny tontolo, fa misy koa ny fanarenana ny tontolo iainana sy ny ala (RPF). Ao anatin’izany ny fanajariana hametrahana tontolo mirindra, ho an’ny fambolena, ny fiompiana, ny rano, sns. Mifototra amin’ity paikady RPF ity ny tetikasa Forests for Future, tohanan’ny fandaharanasa ho an’ny fiaraha-miasa alemà GIZ. Tanjona ny hanarina velarantany 4 tapitrisa ha hatramin’ny taona 2030.
Nahazatra ny rehetra hatramin’izay ny fambolen-kazo. Tsy izay anefa no tena famerenana ny tontolo iainana sy ny fiarovana azy, fa tsy maintsy misy ny drafitra mirindra, hitantanana maharitra ny tontolo iainana. Ao anatin’izany ny fitsinjovana ny fampandrosoana, hanatsarana ny velontenan’ny mponina, sy mba tena haha tompon’andraikitra ny tsirairay, indrindra ny eny ifotony.
Mahatratra 350 tapitrisa ha ny tontolo iainana sy ny atiala, tanjona napetraky ny firenena maneran-tany fa ho harenina hatramin’ny taona 2030. Ho an’i Afrika, 100 ha ny tanjona napetraka, ary 4 tapitrisa ho an’i Madagasikara. Manana anjara biriky amin’io ny tetikasa Forests for Future (F4F), tanterahin’ny JustDiggit, ka faritra hiasana ny any Diana sy Boeny, amina velarantany 1.900 ha, ho an’ny taona 2020-2026. Nanamafy izany ny mpandrindra nasionaly ny Fanarenana ny tontolo iainana sy ny ala (RPF), Rakotoarisoa Julien Noël, sady mpikambana ao anatin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (Medd). Notsipihiny fa tsy mionona amin’ny fambolen-kazo intsony, fa ilaina ny fahaizana mametraka amin’ny tokony ho izy ny tontolo manodidina sy ny ala, ny rano, ny hazo ambolena, ny kijana ho an’ny fiompiana, ny fambolena, sns. Eo koa ny fanarenana ny an-drano, toy ny ala honko, ohatra.
Avy amin’ireo no hamoahana drafi-panajariana mirindra, izay matetika mikorontana izy ireny, ka vao mainka manimba ny tany satria kaohin’ny riaka, ritra ny rano, simba ny nofontany, sns.
Elabe vao miverina amin’ny laoniny ny ala
Nomarihin-dRakotoarisoa Julien Noël koa fa tena ilaina ity paikady RPF ity, satria elabe, am-polon-taona maro vao miverina amin’ny laoniny ny tontolo iainana sy ny atiala, fa tsy toy ny fambolena atao sakafo. Izay no ilana ny fandrindrana ny fanarenana azy, izay sokajiana telo. Voalohany ny karazana aina (biodiversité), faharoa, ny tany ary fahatelo ny rano. « Tsy maintsy miaraka jerena ireo, vao tanterahina ny asa », hoy ihany izy.
Fanambin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana ny hamboly hazo 75.000 ha isan-taona. Tsy avy amin’io no hanatrarana ny tanjona 4 tapitrisa ha hatramin’ny taona 2030. Anisan’ny fandraisana anjaran’ny paikady RPF ataon’ny tetikasa F4F, ny hahavitana 1.900 ha hatramin’ny taona 2026. Manana andraikitra hanatrarana ny tanjona iombonana daholo ny mpisehatra rehetra, ny an’ny fanjakana, ny fikambanana, ny ONG, ny fandaharanasa sy ny tetikasa, ny vondron’olona eny ifotony, ary indrindra ny mponina sy ny olon-tsotra.
Njaka Andriantefiarinesy




