Nitohy atsy Afrika Atsimo ny fiatrehan’ny depiote Masy Goulamaly fivoriana iraisam-pirenena, solontenan’i Madagasikara. Hiofana momba ny zon’ny vehivy ho amin’ny fananantany sy ny harena voajanahary ny tenany amin’izany.
Hotanterahina, manomboka rahampitso, any Afrika Atsimo, hatramin’ny 15 jona izao izany fivoriana sy fiofanana izany. Hiompana amin’ny harena voajanahary sy ny tokony hisitrahan’ny vehivavy tany izany ka anehoan’ny depioten’i Tsihombe hevitra ny
amin’ny tokony hiarovana ny zon’ireo marefo, indrindra ny vehivavy, hahazoan’izy ireo tany. Miara-miasa manatanteraka izany ny eo anivon’ny USAID sy ny Sadc.
Nialoha izany, niatrika ny fivorian’ny fikambanamben’ireo firenena aty Afrika, Karaiba ary Pasifika (OEACP) tany Bruxelles ny depiote, i Masy Goulamaly. Mpikambana eo anivon’izany rahateo i Madagasikara. Niadiana hevitra ny momba ny fampitsaharana ny vohoka noho ny antony fahasalamana”ITG” sy ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy “VGB”. Manampy izany ny momba ny “Fifanarahan’i Maputo”, efa nataontsika sonia ny 2017 saingy tsy mbola nolanian’ny parlemanta. “Hampidirina amin’ny fivoriamben’ny OEACP amin’ ny oktobra izao ny momba ireo lohahevitra ireo ary hitondrana ny soso-kevitra”, hoy ihany izy.
Fampananana asa ny tanora
Nivoitra tamin’ny fivoriana koa ny momba ny fijerena ny tanora sy ny fampanana asa azy ireo ary ny hanampiana ireo vehivavy mananontena. Nankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpiara-miasa rehetra ity olom-boafidy ity, tamin’izany.
Tsiahivina fa noraisin’ny sekretera jeneraly lefitry ny OEACP, Ibrahim Norbert Richard, misahana ny lafiny politika sy ny maha olona ny depiote, i Masy Goulamaly. Voaresaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Niatrika izany ny ambasadaorontsika any Bruxelles, i Beriziky Omer.
Synèse R.




