Efa ao anatin’ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena ny eo anivon’ny FFKM. Efa nahazo toerana hiasana izy ireo ary efa voarafitra koa ny komity teknika ho an’ny fikaonandoha.
Efa mitsangana ny rafitry ny komity teknika hikarakara ny fikaonandoham-pirenena. Anisan’ny asan’ izy ireo ny famaritana ny paikady hitondrana ny fihaonana. Ny famahana ireo olana sy
ny sakana amin’ny dingana rehetra. Miara-miasa amin’ny FFKM amin’ny fanaraha-maso ny fizotran’izany koa ity komity teknika ity. Mitarika izany ny Praiminisitra sy ny solontena roa avy amin’ny fiadidiana ny Fanavaozana. Eo koa ireo minisitra telo : ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny Toekarena sy ny vola ary ny minisitra misahana ny Fanavaozana. Anisan’ny hanana solontena amin’izany komity teknika izany ny silamo, ireo fiangonana ivelan’ny FFKM. Hanana solontena iray avy isam-paritany ireo raiamandreny ara-drazana na tangalamena. Tahaka izany koa ireo tanora.
Hanana solontena iray avy kosa amin’izany komity teknika izany ny fiarahamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina, ny avy amin’ireo manana fahasembanana. Solontena iray avy koa ny avy amin’ny varira ary ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Miisa 27 ireo mpikambana amin’io komity io.
Foibe hikarakarana ny fikaonandoha
Etsy andaniny, natolotra ny FFKM, omaly, hikarakarana ny fikaonandoham-pirenena ny Village Voara etsy Andohatapenaka. Efa nialohavan’ny fitsidihana nataon’ireo eo anivon’ny biraon’ny fiangonana efa-tonta izany toerana izany. Misy birao sy efitrano fivoriana ary biraon’ireo filoham-piangonana.
Nankasitraka manokana ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, ny tonia mpanatanteraky ny FFKM, ny Rév Ranaivoarivelo Vonjisoa Tahina. Nanolotra sy nampahafantatra izany teny an-toerana kosa ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany, ny Jly Lylyson Rene de Roland.
Synèse R.




